Sélectionner une page

FINIAVANA = TAFITA ?

Inona no mahatafita ?
Izay manana FINIAVANA te hanao zavatra no tafita.

FINIAVANA + FINOANA = TAFITA ?

Tsy ampy nefa ny finiavana fotsiny
fa izay manana FINOANA ihany koa fa hahavita zavatra no tafita …
satria manana hery anaty manosika azy izy.

FINIAVANA + FINOANA + ASA = TAFITA ?

Ny finoana tsy arahin’ASA dia zava-poana ihany.
Andriamanitra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany.
Mila miasa fa tsy manao ariary zato am-pandriana fotsiny…

FINIAVANA + FINOANA + ASA + FIKIRIZANA = TAFITA

Betsaka ireo nanandrana fa tsy nety … ka nijanona fa kivy.
Mila FIKIRIZANA raha te ho tafita.
Mitsangana in-10 raha lavo in-10.

FINIAVANA + FINOANA + ASA + FIKIRIZANA = TAFITA

Io no lakilen’ny fahombiazana

TSY MANAMBOLA VE IANAO? TSY MANAM-PAHAIZANA?

Tsarovy fa maro ny tantaran’ny olona sady tsy nanambola no tsy nanampahaizana…nefa tafita

VINA

Mila manana VINA ianao raha te ho tafita. Inona ny VINA ?
Ny vina dia tanjona lavitra ezaka tiana hotratrarina. Nofinofy tiana hotanterahina.
Miatomboka amin’ny nofinofy ny zava-drehetra…

FIFANDRAISANA

Raha tsy manambola ianao dia mila mifandray amin’ny olona manana…
Raha tsy manampahaizana ianao dia mila mifandray amin’ny olona mahay…
Tsy sakana ny tsy fananana fa mila mahay mifandray sy manetsika ny manodidina anao ianao.
Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy.

VINA + FIFANDRAISANA = TAFITA

Io no lakile faharoa ho an’ny fahombiazana.

error: oops !