Logo entrepreneuriat.mg Fandraharahanaentrepreneuriat.mg

Ahoana no andrafetana ny môdelim-pandraharahanao?

Alohan'ny drafitra fandraharahana dia ny môdely: tabilao iray, singa sivy, hahitanao mazava hoe ahoana no hidiran'ny vola ao amin'ny orinasanao.

MaimaimpoanaTsy mila kaontyAzo avoaka PDF
Fototra

Inona no atao hoe môdelim-pandraharahana?

Ny môdelim-pandraharahana (business model) dia manazava sy mitantara ny fomba hidiran'ny vola ao amin'ny orinasanao. Tsy resaka vokatra fotsiny izany fa ny fomba fiasan'ny orinasa manontolo.

Lesona tokony horaisina: ny zava-baovao azonao entina amin'ny fandraharahana dia tsy ny vokatra irery ihany. Misy singa sivy azonao ovaina sy hitondrana fanavaozana, ka hahazoanao môdely samihafa.

Ireto fanontaniana ireto no valiany:

  • Iza no mpanjifanao?
  • Inona no tolotra omenao azy?
  • Amin'ny fomba ahoana no anoloranao azy?
  • Inona avy ny vola miditra aminao?
  • Ahoana ny firafitry ny fandanianao?
  • Inona avy ireo asa tsy maintsy tanterahinao?

Antsipirian'ny singa tsirairay

  1. 1Karazana mpanjifa

    Segments clients

    Ireo vondron'olona na orinasa kendrenao. Azonao sokajiana araka ny tianao: ny vola azony, ny maha-lahy na maha-vavy, ny taona, ny toerana onenany, ny asany, na ny karazany (olon-tsotra, orinasa, fanjakana).

    Ohatra: tanora mpianatra eny an-drenivohitra; mpamboly any amin'ny faritra; orinasa madinika.
  2. 2Tolotra

    Proposition de valeur

    Ny tolotra manandanja sy mampiavaka omenao ny mpanjifa: ny vaha-olana entinao hamaliana ny filàny. Inona no maha-samihafa anao: kalitao, vidiny, fahamorana, endrika, fahatongavana haingana?

    Ohatra: sakafo mafana entina hatrany amin'ny birao ao anatin'ny 30 minitra.
  3. 3Lalan-kizarana

    Canaux de distribution

    Ny lalana ahatongavan'ny vokatra any amin'ny mpanjifa: mpamongady, fivarotana lehibe, toeram-pivarotanao manokana, aterineto, tambajotra sosialy…

    Ohatra: fivarotana an-tsena isan-kerinandro sy fanaterana amin'ny alalan'ny Facebook.
  4. 4Fifandraisana amin'ny mpanjifa

    Relations client

    Ny fomba ifandraisanao amin'ny mpanjifa alohan'ny, mandritra ary aorian'ny fivarotana: tambajotra sosialy, mailaka, finday, fihaonana mivantana, fandaharana fitazonana mpanjifa.

    Ohatra: vondrona WhatsApp ho an'ny mpanjifa tsy tapaka, karatra fahatokiana.
  5. 5Fironan'ny vola miditra

    Flux de revenus

    Ny karazana vola miditra sy izay tena mitondra vola betsaka: vidin'ny vokatra, famandrihana (abonnement), hofan-trano, komisiona… Misy ihany koa ny manome fitaovana maimaimpoana fa ny kojakoja ilainy no ahazoana vola.

    Ohatra: vidin'ny sakafo isan'andro + famandrihana isam-bolana ho an'ny birao.
  6. 6Lahasa manandanja

    Activités clés

    Ireo asa tena mafonja tsy maintsy tanterahin'ny orinasa mba hisian'ny tolotra: famokarana, fanangonana vokatra, fifandraisana amin'ny mpanjifa, fanamboarana…

    Ohatra: fividianana akora, fahandroana, fanaterana.
  7. 7Loharano manandanja

    Ressources clés

    Ireo harena tena iankinan'ny orinasa: olona manam-pahaizana, fitaovana, haitao, toerana, marika, vola.

    Ohatra: lakozia voaomana, mpahandro roa, môtô fanaterana.
  8. 8Mpiara-miombon'antoka

    Partenaires clés

    Ireo iarahan'ny orinasa miasa ka tsy azo ialana, na iankinanao, na anaovanao fifanarahana manokana.

    Ohatra: JIRAMA, mpamatsy akora, mpamatsy vola, sampan-draharaham-panjakana.
  9. 9Firafitry ny fandaniana

    Structure de coûts

    Ireo fandaniana lehibe indrindra amin'ny fampandehanana ny orinasa. Samy manana ny azy ny orinasa tsirairay.

    Ohatra: karama, akora, solika, herinaratra, hofan-trano, fikojakojana.
Tokony hirindra ny singa sivy. Mifandray avokoa izy ireo: ny tolotra (singa 2) tsy maintsy mifanaraka amin'ny karazana sy ny filàn'ny mpanjifa (singa 1); ny lahasa sy ny loharano (6 sy 7) no ahafahana manome io tolotra io; ny fandaniana (9) tokony ho latsaky ny vola miditra (5).
Ohatra

Gazety roa, môdely roa samihafa

Samy gazety, samy vaovao no atolotra. Nefa ny iray amidy amin'ny mpamaky, ny iray kosa zaraina maimaimpoana ary ny mpanao dokambarotra no mandoa. Jereo ny fiovan'ny singa rehetra.

Fampitahana ny môdelin'ny gazety vidiana sy gazety maimaimpoana
SingaGazety vidianaGazety maimaimpoana
1. Karazana mpanjifaMpamaky liana vaovao lalinaMpamaky maro be (mpandeha, mpiasa) sy mpanao dokambarotra
2. TolotraVaovao voafantina sy fanadihadianaVaovao fohy maimaimpoana; mpamaky maro ho an'ny mpanao dokambarotra
3. Lalan-kizaranaMpivarotra gazety, famandrihanaZaraina eny amin'ny fiantsonan'ny fiara sy toeram-pivarotana
4. FifandraisanaFamandrihana, mpamaky tsy tapakaEkipa mpivarotra dokambarotra
5. Vola miditraVidin'ny gazety sy famandrihanaVidin'ny dokambarotra ihany
6. LahasaFanoratana, fanontana, fizaranaFivarotana dokambarotra, fanontana, fizarana
7. LoharanoMpanao gazety, milina fanontanaTambajotra fizarana, ekipa mpivarotra
8. Mpiara-miombon'antokaMpivarotra gazety, mpamatsy taratasyToerana fizarana, mpanao dokambarotra
9. FandanianaKarama, taratasy, fanontanaFanontana, fizarana, karama
Fitaovana mifandraika

Lean Canvas sy Value Proposition Canvas

Lean Canvas

Namboarin'i Ash Maurya avy amin'ny Business Model Canvas. Natao ho an'ny startup sy ny tetikasa vao manomboka: manomboka amin'ny olana, mandrefy haingana, ary mampiasa vola kely araka izay azo atao.

Singa dimy no miova:

Olana
Ireo olana lehibe telo tianao hovahana.
Vahaolana
Ireo vahaolana lehibe telo entinao.
Tolotra tsy manam-paharoa
Inona no maha-tsara azy sy maha-samihafa azy?
Tondro fandrefy
Ireo tarehimarika arahi-maso ahitana ny fandrosoana.
Tombon-dahiny
Izay mampiavaka anao amin'ny mpifaninana, indrindra izay sarotra alain-tahaka.
Sokafy ny Lean Canvas

Value Proposition Canvas

Tabilao ampiasaina miaraka amin'ny Business Model Canvas. Mampifanatrika ny tolotra sy ny karazana mpanjifa izy, mba hanamarinana raha tena mifanandrify ny filàn'ny mpanjifa sy izay atolotry ny mpandraharaha.

Asan'ny mpanjifaOlana sedrainyTombony andrasany

Ampifanarahana amin'ireo ny vokatrao, ny fomba hanamaivanany ny olany ary ny tombony entinao.

Hanamarina ny tolotrao (dingana 3)
Rahoviana?

Miketrika aloha, vao mikotrika, dia mikatroka

Ny môdelim-pandraharahana no atao voalohany, rehefa eo am-pisainana ny hanangana orinasa vaovao. Alohan'ny drafitra fandraharahana (business plan) izy.

  1. Ianao etoMiketrikaMamolavola ny môdelim-pandraharahana amin'ny tabilao BMC.
  2. Avy eoMikotrikaManao ny drafitra fandraharahana hanatanterahana io môdely io.
  3. FaranyMikatrokaManatanteraka: manangana sy mampandeha ny orinasa.

Rehefa mandeha ny orinasa, azo havaozina foana ny tabilao araka ny zava-misy sy ny filàna.

Torohevitra

Ahoana no famenoana azy tsara?

  • Teny fohyTsy mila fehezanteny lava. Teboka iray ka hatramin'ny telo isaky ny singa.
  • Araho ny filaharanaManomboka amin'ny mpanjifa (1) sy ny tolotra (2), farany ny fandaniana (9).
  • Hamarino ny firindranyVakio indray ny tabilao manontolo: mifanaraka ve ny singa rehetra?
  • Andramo môdely maroOvay singa iray dia jereo ny fiantraikany: vidiny, lalan-kizarana, vola miditra.
  • Asehoy ny hafaAvoahy PDF ary resaho amin'ny mpanazatra, namana na mpamatsy vola.

Andao handrafitra ny môdelinao

Tsy misy data voatahiry ao amin'ny tranokala. Tahirizo ao amin'ny solosainao na findainao ny rakitra, dia ampidiro indray rehefa hanohy.

Loharano
  1. Osterwalder, A. & Pigneur, Y. (2010). Business Model Generation. Hoboken : John Wiley & Sons.
  2. Osterwalder, A., Pigneur, Y., Bernarda, G. & Smith, A. (2014). Value Proposition Design. Hoboken : John Wiley & Sons.
  3. Maurya, A. (2012). Running Lean: Iterate from Plan A to a Plan That Works (2ᵉ éd.). Sebastopol : O'Reilly Media.
  4. Cabinet Esprit d'Entreprise (2019-2025). Pejy « Business Model Canvas », entrepreneuriat.mg.