Sélectionner une page

Toy ny ahoana ny toe-tsaina
« Mpandraharaha » ?

« Mpandraharaha »!

Efa fantatrao ve aloha iza marina no tena azo antsoina ho « mpandraharaha » ? Jereo eo @ pejy voalohany ny famaritana.

toetra 10 mampiavaka

Miketrika foana

Mahay mandresy lahatra

Tia mamorona

Mahay mitarika

Tia manatratra tanjona

Mahay mijery ny lafi-tsara

Mahay manapa-kevitra

Mikiry hatr@ farany

Sahy mandray risika

Tia miasa mafy

MIAVOTRA

MIAVOTRA: manavotra ny tenany fa TSY MIANDRY AVOTANA

MI→ mitraka

A atomboka

VO vokatra

TRA tratratina

zavatra ROA monja mahatafita

VINA

FIFANDRAISANA

Ny nahatafita ireo mpandraharaha tena niavaka sy nahomby dia tsy resaka VOLA na FIANARANA loatra.

Nanana VINA izy mikasika izay zavatra tiany hotanterahina.

Raha tsy nanambola izy dia nifandray t@ olona manambola.
Raha tsy nanana fahaizana izy dia nifandray t@ olona manam-pahaizana.

Voafetra nefa ny fahombiazana raha tsy manohy mianatra ny mpandraharaha. Eto ny tenenina hoe mianatra dia manovo fahalalàna: na mamaky boky, na mampiana-tena, na mandeha any am-pianarana, na miantso olona mahay hanampy sy hampianatra, eny na dia miresaka aman’olona fotsiny ary mandray toro-hevitra.

NY OLONA NIANATRA VE NO MORA TAFITA SA NY OLONA TSY NIANATRA ?
Matetika miverina tokoa ny resaka hoe ny olona tsy nianatra no mora tafita noho ny olona nianatra. Eny, betsaka tokoa ny olona tsy nianatra no lasa mpandraharaha ary maro ny lasa lavitra. Mora kokoa ho azy ireo mantsy ny mandraharaha satria tsy be fanahiana izy ireo na be kajikajy fa tonga dia mandray risika manatanteraka sy miasa avy hatrany. Sady manao izy ireo no mandray lesona ary manitsy ny lalany. Misy amin’izy ireo nefa no voafetra ihany ny fahombiazany satria tsy manohy mianatra (maka lesona, maka toro hevitra, mampiana-tena sns). Ny olona nianatra indray amin’ny ankapobeny dia somary sahirana rehefa hanomboka fandraharahana satria mila mikajy aloha fa tsy mahasahy mandray risika firy. Matetika ihany koa dia mila zavatra goavana fa tsy tia manomboka amin’ny zavatra kely. Izy ihany koa dia voafetra ny fahafahana mamorona satria efa voasasan’ny lasitsainan’ny fianarana narahiny. Rehefa jerena nefa dia samy mety ho lasa lavitra daholo na nianatra na tsy nianatra rehefa manana ireo toe-tsaina voalaza iretsy ambony iretsy.

Toetsaina malagasy anaty ohabolana

Ireto manaraka ireto misy ohabolana malagasy ahitana taratra ny toetsaina mpandraharaha:

 

Soa lavo hahay mamindra : « Apprendre de son échec« 

Izay sahy maty mifono lambamena : « Goût du risque, esprit d’entreprise »

Ny erikerikerika no maha tondra-drano : « L’art de commencer petit« 

Izay maharitra vadin’andriana, tsy indray mandeha no manta vary ka handevin-tsotrobe : « Persévérance » 

Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy : « Interdépendance« 

Ny asa vita no ifampitsarana : « Culture de résultat« 

Ny valala tsy azo raha tsy andriana ilika : « Le goût du travail« 

MIKETRIKA – MIKOTRIKA – MIKATROKA

→ MIKETRIKA: mijery foana ny irika azahoana tsena sy tombony (opportunité) 

MIKOTRIKA: manomana tetikasa sy drafitra ho enti-miasa

MIKATROKA: mijoboka manatanteraka fa tsy manao ariary zato am-pandriana na revin-gadra fotsiny

Think big and start small

Thing global and act local

→ Manomboka @ zavatra kely sy takatra fa tsy miandry tetikasa na fanampiana goavana: « think big and start small »

Alefa lavitra ny eritreritra fa atomboka eo an-toerana aloha ny fanatanterahana ny tetikasa: « think global and act local »

FIFANAMPIANA

Tsy tsara ny miakindoha tanteraka amin’ny hafa

Tsy tsara ihany koa ny miambo ho mahavita tena irery

Mila mifanampy amin’ny hafa ianao

Tsy voatery manana ny ampy ianao

Fantaro ny tsy ampy ao aminao dia jereo ny olona azo iaraha-miasa hameno ny banga

→ Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy (interdépendance, synergie)

Irery ianao afaka mandeha mafy fa maro ianao afaka mandeha lavitra

Tonga miaraka no fanombohana…fa miasa miaraka no fahombiazana.
(« se réunir est un début, rester ensemble est un progrès, travailler ensemble est la réussite », Henry FORD)

Ny zava-dehibe dia tsy ny MANANA fa ny fahaizana MANETSIKA ny manodidina anao
(l’important, ce n’est pas d’AVOIR des ressources mais de savoir les MOBILISER)

1 + 1 = 3

Ianao mahavita 1

Izy mahavita 1

Rehefa miara-miasa ianareo dia mahavita 1 hafa

entrepreneuriat.mg

Fandraharahana malagasy miroborobo no tanjontsika !
error: oops !