Sélectionner une page

Inona ireo dingana arahina
raha hanangana orinasa?

Fananganana orinasa ho ara-dalana?

Raha io no tianao ho fantatra dia tsy ato @ ito pejy ito fa tsindrio ny bokotra eo ambany.

Ny dinga arahina amin’ny fananganana orin’asa

(miaraka amin’ny daty atao ohatra)

 

Ny dingana aseho anao manaraka eto dia manaraka ny lôjika :

MIKETRIKA MIKOTRIKA MIKATROKA

.

.
2020
juin 26

Mandinika ny zava-misy

Manara-baovao. Mijery ny tontolo ara-toekarena, sôsialy sns. Manaramaso ny fivoaran’ny filàn’ny mpanjifa. Mitady atontan-kevitra isankarazany mikasika ny loharanonkarena azo trandrahana

juillet 1

Mamolavola hevitra

Misafidy amin’ireo irika azahoambola. Manangana ny Vina. Manamboatra môdely fandraharahana (business model).

juillet 8

Manao fanadihadiana

Manadihady ara-teknika ny fazahoana manamboatra ilay tolotra na vokatra. Manao vokatra andrana. Manadihady ny tsena.

août 1

Manao drafitra

Manoratra ny drafitra fandraharahana (Business Plan) ho entina mampiseho ny tetikasa sy mandresy lahatra olona.

septembre 1

Mitady mpiara-miombon’antoka

Mitady mpiara-miombon’antoka: ny mpamatsy vola, ny namana hiaraka handraharaha, ny teknisianina hiara-miasa…

octobre 17

Manangana ny orinasa

Misafidy ny satan’ny orinasa, manangana ny orinasa ara-dalàna, manomboka ny asa.

 

 

Raha mila fanazavàna mikasika ny taratasy entina hananganana ny orinasanao ho ara-dalàna dia jereo ato.

entrepreneuriat.mg

Fandraharahana malagasy miroborobo no tanjontsika !
error: oops !