Sélectionner une page

Ahoana no andrafetana
môdelim-pandraharahana ?

Ny toe-tsaina aloha!

Araka ny efa ambara ombieny ombieny dia ny toe-tsaina no alohan’ny zava-drehetra. Anananao ve ny toe-tsaina mpandraharaha aloha?

Dikan-teny: <Business Model Canvas>: Tabilaon’ny môdelim-pandraharahana – <Partenaires clés>: Mpiara-miombonantoka manandanja – <Activités clés>: lahasa manandanja – <Ressources clés>: loharano manandanja – <Proposition de valeur>: Tolotra – <Relation client>: fifandraisana @ mpanjifa – <Canaux (de distribution)>: lalanjotra fitsinjarana – <Segments clients>: karazana mpanjifa – <Structure de coûts>: firafitry ny fandaniana – <Flux de revenus>: Fironan’ny vola miditra.

>>>>>>>>>>>>> Ny fomba amenoanao io tabilao ambony io: 1.Tsindrio ao anatin'ny tsanganan'ny tabilao tianao fenoina... 2. Soraty izay teny tianao ampidirina... 3. Tsindrio ny ENTREE mba ahavoatahiry ny soratra nampidirina.   >>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>> Pour remplir le tableau ci-dessus: 1.Cliquer dans une des cases... 2.Taper les textes voulues... 3.Cliquer sur la touche ENTREE pour valider

 

TOROMARIKA ?

Fanolorana ny fitaovana

Ity fitaovana ity dia natao hamokarana sy hanehoana @ fomba tena tsotra ny môdelim-pandraharahana (business model) arahinao. Fa inona tokoa moa ny atao hoe « môdelim-pandraharahana »? Izy io dia manazava sy mitantara ny fomba ampidiranao vola ao @ orinasanao: iza no mpanjifanao? Inona no tolotra omenao azy? Amin’ny fomba ahoana no anoloranao azy? Inona avy ny karazambola miditra aminao? Ahoana ny firafitry ny fandaniana? Inona avy ny asa tanterahina sns…

Jereo ny ohatra etsy ambany mampiseho karazana gazety 2: ny iray gazety varotana (fidirambola: vidin’ny gazety), ny iray gazety zaraina maimaim-poana (fidirambola: vidin’ny dokambarotra aseho anaty gazety).

Tsy mila zavatra sarotra ny fampiasàna/famenoana azy fa atao @ fomba tena tsotra. Tsy mila fehezanteny labave. Mitanisa teny fohy anaty teboka vitsy (teboka 1 na 2 na 3 isaky ny tsanganana) …

Ny lesona tokony horaisina dia izao: ny zava-baovao azonao entina @ fandraharahana dia tsy ny « vokatra » irery ihany fa misy singa 9 ireo (tsanganana anaty tabilao) azonao ovaina sy itondrana fanavaozana ka ahazoanao MODELIM-MPANDRAHARAHANA samihafa.

Fanazavana ireo singa 9 ?
  1. Karazana mpanjifa: ohatra: mahantra na manankarena na antonony (raha ampiasa fisokajiana araky ny saranga ianao), na lahy na vavy (raha araky ny filahiana), na zaza na ankizy na olondehibe na zokiolona (raha araky ny taona), na monina ao… (raha araky ny toerana), na mpiasa ambony na mpiasa tsotra na mpianatra (raha araky ny andraikitra) na orinasa na olontsotra na fanjakana sns. Afaka misafidy karazana mpanjifa araka izay irinao ianao.
  2. Tolotra: ny tolotra manandanja sy mampiavaka omenao ny mpanjifa anao. Azo adika koa hoe ny vaha-olana entinao manome fahafaham-po ny mpanjifa.
  3. Lalanjotra fitsinjarana: ny lalana entinao manome ilay vokatra ho an’ny mpanjifa. Mandalo mpamongady ve sa eny @ supermarché sa eny @ toeram-pivarotanao manokana… Eny @ internet ve sa FB sa…
  4. Fifandraisana @ mpanjifa: tambanjotran-tserasera sôsialy ve sa mailaka sa finday sa fihaonana mivantana ohatra.
  5. Fironan’ny vola miditra: inona no karazan’ny fidiram-bolanao ary inona amin’ireo no tena mitondra vola betsaka. Ohatra: abonnement na vidimbokatra ty sy nday… Marihina fa misy ohatra ny manome fitaovana maimam-poana fa ny kojakoja anodinana ilay fitaovana no angalàna vola… Betsaka ny fanovàna niseho araka ny toetrandro môderina.
  6. Lahasa manandanja: inona avy ireo karazana asa tena mafonja tanterahina ao amin’ilay orinasa: fanangonam-bokatra, fifandraisana @ mpanjifa, fanamboarana ny fitaovana simba, sns
  7. Loharano manandanja: inona ny loharano (ressources) tena mafonja ampiasaina: ny haitao sa ny olona sa ny fitaovana sns
  8. Mpiara-miombonantoka manandanja: iza ireo iarahan’ny orinasanao miasa ka tena tsy maintsy ilaina ary ananao fiakinan-doha na anananao fifanarahana manokana: JIRAMA, mpamokatra akora, sns
  9. Firafitry ny fandaniana: amin’ireo karazam-pandaniana, iza ireo tena manan-danja sy andaniana vola be: karama, JIRAMA sns

 

Ny filaharana voalaza eo ambony dia araky ny lôjika famenoana sy famakiana ilay tabilao BMC. Mifandray avokoa ary tokony mirindra ny zavatra voalaza isaky ny singa 9. Ohatra: tokony hifanaraka amin’ny karazany sy ny filàn’ny mpanjifa voalaza ao @ singa n°1 ny tolotra voalaza ao @ singa n°2.

Raha makasika manokana ny « tolotra » sy ny « karazana mpanjifa » dia misy fitaovana hafa afaka ampiasaina miaraka @ ito BMC ito izay antsoina hoe « value Proposition Canvas« .  Izy io dia fitaovana fenoina ihany koa ka anoratana ny mikasika ny mpanjifa sy ny filàny ary ampifanarahina amin’izany ny tolotra omena azy ireo. (jereo ato)

Rehefa fotoana toy ny ahoana no ampiasaina azy?

Ny fiketrehana ny môdelim-pandraharahana na « business model » (sy ny fampiasana ny fitaovana BMC) dia atao eo @ fotoana isainana ny fananganana ny orinasa vaovao. Mialoha ny fanaovana ny drafitra fandraharahana (business plan) ny fanaovana azy.

MIKETRIKA – MIKOTRIKA – MIKATROKA. Miketrika aloha: io ilay mamolavola ny modelim-mpandraharahana. Mikotrika: io ilay manao drafitra fandraharahana entina manatanteraka ilay môdely. Mikatroka: io ilay efa manatanteraka ny drafitra mifanaraka amin’ilay môdely, izany hoe efa manangana sy mampande ny orinasa.

Rehefa mitsangana ny orinasa dia azo avaozina ihany koa ny BMC arakaraky ny filàn’ny tompon’ny orinasa sy ny zava-misy.

 

AIDE ?

Présentation de l'outil

Cet outil permet de convevoir et de présenter d’une manière très simple le modèle d’affaire que vous allez adopter. Mais qu’est-ce qu’un modèle d’affaire? Celui-ci décrit et raconte la façon dont vous aller gagner de l’argent dans votre entreprise: quelle est votre clientèle? Quelle est votre offre de valeur? Quel  genre de revenu vous allez recevoir? Quelle est la structure de votre dépense? Quelles sont les activités que vous allez réaliser?

Tout ceci se fait d’une manière très simple et ludique. Pas besoin de longue phrase. Vous allez citer quelques mots sous forme de tirets (1 ou 2 ou 3 par cases) …

Vous pouvez lire les deux exemples de journaux en bas: le premier est un journal à vendre (revenu: vente des journaux), l’autre est un journal distribué gratuitement (revenu: insertion pub par les annonceurs)

La leçon à tirer est que: vous pouvez innover et créer différents modèles d’affaires à partir de 9 éléments (cases du tableau) et non seulement à partir du « produit ».

Les 9 éléments constitutifs du BMC?
  1. Segments clients: le type de marché ou de clients ciblés. Plusieurs critères selon votre choix: age, sexe, géographie, catégorie socio-professionnelle, etc.
  2. Proposition de valeur: ce que vous apportez comme solution aux besoins des clients. Ce qui vous différencie des autres: qualité, performance, prix, disponibilité, design, etc.
  3. Canaux de distribution: comment vous pensez livrer votre proposition de valeur aux clients: vente en ligne, point de vente à vous, grossistes et détaillants, etc.
  4. Relations client: comment vous interagissez avec vos clients avant, pendant et après la vente: réseaux sociaux, email, discussion directe, programme de fidélisation, etc.
  5. Flux de revenus: quels sont vos sources de revenus selon leur importance, fréquence… Ex: abonnement, prix de vente du produit, vente des fournitures et accessoires.
  6. Activités clés: les importantes activités que l’entreprise devrait assurer.
  7. Ressources clés: les plus importants actifs sur lesquels s’appuie l’entreprise : ex: technologie, salariés, etc.
  8. Partenaires clés: les autres entités qui contribuent significativement au fonctionnement de l’entreprise. Elles peuvent aussi collaborer à la proposition de valeur. Ex: JIRAMA, fournisseurs d’intrants, etc.
  9. Structure de coûts: les dépenses les plus importantes dans le fonctionnement de l’entreprise. Chaque entreprise possède ses spécificités. Ex: salaire, carburants, maintenance, électricité…
Quand l'utiliser?

Le business modèle (et donc le BMC) est élaboré au moment où l’entrepreneur conçoit la création d’une nouvelle entreprise. L’élaboration du business modèle précède celle du business plan.

Par ordre chronologique, la CONCEPTION est suivie de la PLANIFICATION… et c’est à la fin qu’il y a la REALISATION. La conception consiste à élaborer le business model. La planification consiste à faire le business plan. La réalisation correspond à la création effective de l’entreprise et son opérationnalisation.

Le BMC peut être mis à jour par la suite suivant les besoins tout au long de la vie de l’entreprise.

 

 

 

 

Ohatra – Exemples: gazety vidiambola sy gazety zaraina maimaim-poana

Cas d'un journal payant

Cas d'un journal gratuit

entrepreneuriat.mg

Fandraharahana malagasy miroborobo no tanjontsika !
error: oops !