Sélectionner une page

 

Fikajiana ny vola ilaina hanombohana ny orinasa.

Fitaovana!

Raha hijery fitaovana hafa azo ampiasaina ianao dia tsindrio ny bokotra eo ambany.

Ny vola ilaina entina manomboka ny orinasa dia ny fikamban’ireto zavatra telo voalaza manaraka ireto:

1. Ny fampiasam-bola maharitra entina manomboka (investissement initial):
Ny fampiasam-bola maharitra dia izay zavatra vidiana ka mety aharitra mihoatra ny 1 taona ny fahapotehany: tany, trano, masinina, fitaovana sns.

2. Ny vola kirakira entina manomboka (trésorerie, fonds de roulement initial):
Ny vola kirakira tiana hotenenina eto dia ny vola ilaina anaovana ny fandaniana an-davanandro izay miverimberina: entana, karama, kojakoja, jiro sy rano, sns.

3. Ny vola ilaina entina hananganana ny orinasa ho ara-dalana (formalisation):
Ny vola haloanao eny amin’ny EDBM na centre fiscal na ivo-toerana manampy amin’ny fananganana orinasa.

Ity aseho manaraka ity ny tabilao azonao fenoina hahafahanao mikajy ny vola ilainao entina manomboka ny orinasa:

 

TABILAO FIKAJIANA NY VOLA ENTINA MANOMBOKA ORINASA

 

FAMPATSIAHIVANA NY FIKAJIANA NY VOLA KIRAKIRA  TAONA VOALOHANY

TRESORERIE ANNEE 1

TOROMARIKA ?

Fanolorana ny fitaovana

Ity fitaovana ity dia natao ikajiana ny vola omanina amin’ny fanombohan’ny tetikasa ho entina manodina ny orinasa mandritra ny taona voalohany.

Ny sora-bola hita eo amin’ny toerana miloko maitso no vola ilaina entina manomboka ny tetikasa ka mila omanina mialoha.

Ahoana no fampiasa azy ?
  • Ireo cellule miloko mavo (sy ilay miloko maitso) ihany no azo fenoina.
  • Ny ambimbola miiba (solde négatif) dia midika tsy fampiam-bola. Ovaina, ampitomboina na ahena, ny sora-bola ery amin’ny « vola anombohana » an’ny volana 1 mba hanalana ny ambimbola miiba (solde négatif) ety ambany (miloko mena).
Fanazavana ny vola kirakira?
  • Ny vola kirakira dia ny vola any amin’ny banky sy ny volavola am-pelatanana entina manodina ny orinasa andavanandro.
  • Ny fampiasambola fampitaovana sy trano (investissement: équipements, immobilier…) dia tsy ampidirina eto.
  • Taona voalohany ihany ny resaka eto, inona no antony? Heverina mantsy fa tsy mitombina raha mihoatra ny herintaona ny vinavina atao satria maro ny zavatra mety hitranga mandritra ny taona voalohany io ka tsy mitombona intsony ny vinavina taona faharoa.
  • Omanina mialoha ny vola hokirakiraina satria misy vola tsy maintsy aloa (ohatra: karama, ofantrano, akora sns) na mampidi-bola na tsia ny orinasa.
  • Ankoatran’io vola omanina mialoha io nefa dia misy ihany koa ny vola miditra isam-bolana amin’ny alalan’ny entana amidy ohatra na fidirambola hafa ihany koa izay azo averina ampiasaina avy hatrany.

AIDE ?

Présentation de l'outil

Cet outil permet de simuler et de calculer les besoins en trésorerie du projet pendant la première année de fonctionnement.

Le besoin en trésorerie à prévoir au début du projet correspond au montant de la case « report » du mois 1.

Comment l'utiliser?
  • Remplir les cases colorées en jaune clair: les encaissements (ou recettes) et les décaissements (ou dépenses).
  • Ajuster le montant du report initial en mois 1 en ajoutant le montant qui s’y trouve avec le montant en négatif dans le solde final du mois 12. 
    En effet, un solde négatif à la fin du mois 12 signifie qu’il y a manque de trésorerie. D’ailleurs, ce principe s’applique à chaque mois.
Qu'est-ce que la trésorerie?

La trésorerie est l’ensemble des liquidités disponibles dans les caisses ou comptes bancaires de l’entreprise. Il faut prévoir une trésorerie suffisante pendant la première année de projet de création. En mêtre trop, c’est de l’argent qui dort, donc, en quelques sortes une perte. Pas assez de trésorerie veut dire blocage du fonctionnement de la société. L’horizon d’un an est fixé car la prévision de trésorerie au-delà d’un an est plutôt utopique.

entrepreneuriat.mg

Fandraharahana malagasy miroborobo no tanjontsika !
error: oops !