FamaritanaNy orinasa
Ny orinasa dia lamina sy rafitra natao anodinana ny akora ka amokarana vokatra amin'ny alalan'ny fampiasana vola, olona, fitaovana, akora ary haitao. Tsy ny birao akory no atao hoe orinasa araka ny hevi-diso mateti-pitranga!
Torolalana, fitaovana ary kajy maimaimpoana ho an'ny mpandraharaha malagasy — manomboka amin'ny hevitra voalohany ka hatramin'ny fananganana orinasa ara-dalàna.
10 minitra eo ho eo · fanontaniana 33 · Fantaro raha vonona hiatrika ny fandraharahana ianao
Samy manana ny filàny ny tsirairay. Safidio ny toerana misy anao, dia hitondra anao mivantana any amin'izay mahasoa anao ny pejy.
Alohan'ny hanomboka dia tsara ny mifanaiky amin'ny teny: inona marina ny orinasa, iza no azo antsoina hoe mpandraharaha, ary inona no atao hoe vina?
Ny orinasa dia lamina sy rafitra natao anodinana ny akora ka amokarana vokatra amin'ny alalan'ny fampiasana vola, olona, fitaovana, akora ary haitao. Tsy ny birao akory no atao hoe orinasa araka ny hevi-diso mateti-pitranga!
Ny mpandraharaha dia olona mpanangana orinasa. Izy no tompony fa tsy hoe mpitantana fotsiny akory. Mety mitantana ny orinasany izy na koa manakarama olonkafa hanao izany. Nanana nofinofy izy teny amboalohany ka navadiny ho vina izany ary notanterahiny.
Ny VINA dia nofinofy efa voadinika tsara ka avadika ho tanjona lavitra ezaka ho azo tratrarina. Amin'ny fandraharahana ny vina dia ny orinasanao, alaina sary an-tsaina ny fandrosoany sy ny firoboroboany, rahatrizay ka tafita amin'ny tanjona.
Toetra telo no tena mampiavaka ny mpandraharaha: ny fananana vina, ny fananana fifandraisana ary ny fikirizana.
Ny fanatrarana tanjona no antony iasanao mafy. Lasa mazozo ianao hiasa mba hanatratra izany.
Mila mifandray sy miara-miasa amin'ny rehetra.
« Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy. »Ny mpandraharaha dia tsy kivikivy foana: raha mianjera im-polo dia mitsangana im-polo.
« Indray mandeha ve no manta vary dia handevin-tsotrobe? »Tsy voatery hanana fahaizana, na fitaovana na vola na zavatra hafa ny mpandraharaha. Aminy dia tsy ny « manana » no zava-dehibe fa ny « fahaizana manetsika sy miara-miasa amin'ny olona manodidina azy ».
Rakitsary enina natolotry ny Cabinet Esprit d'Entreprise (EdE) hanazavana ireo hevitra fototra ireo. Tsindrio ny sary hanombohana ny fijerena azy.
Tsy mila atao araka ny filaharana sahala amin'ny fantsona tsy miova foana, nefa mitondra anao tsikelikely hatrany amin'ny orinasa miasa ara-dalàna ireto dingana enina ireto.
Manara-baovao, mijery ny tontolo ara-toekarena sy ny filàn'ny mpanjifa.
Toetsaina mpandraharahaFantaro ny toe-tsaina ilaina →Misafidy irika, manangana ny vina, mandrafitra ny môdelim-pandraharahana.
Business Model CanvasFenoy ny môdelinao →Manadihady ny tsena, manao vokatra andrana, mandrefy ny fahafahana.
Lean canvas sy tolotraAndramo amin'ny mpanjifa ny tolotrao →Manoratra ny drafitra fandraharahana handresena lahatra ny mpiara-miasa.
Kajy ho an'ny mpandraharahaVola ilaina, vola kirakira, tetika 3 taona →Mpamatsy vola, namana hiara-handraharaha, teknisianina.
Fiaraha-miasaHiara-hiasa amin'ny rafitra manohana →Misafidy sata, manao ny taratasy ara-dalàna, manomboka ny asa.
Taratasy ara-dalànaNIF, STAT, RCS →Toetra telo no tena mampiavaka ny mpandraharaha. Tsy resaka vola na diplaoma loatra: resaka fomba fijery sy fahavononana.
Soa lavo hahay mamindra.Ny tsy fahombiazana dia lesona hianarana.
Atao hoe ara-dalàna ny orinasa rehefa manana ireto taratasy telo samihafa ireto:
Misy karazany roa lehibe ny orinasa, ary arakaraka izay ny toerana ikarakarana ny taratasy:
Natao ho an'ny mpiasa tena (profession libérale, artisan…): mampifangaro ny fananana sy ny trosan'ny mpandraharaha amin'ny an'ny orinasany. Ny taratasy ara-panjakana dia misoratra amin'ny tenan'ny mpandraharaha. Afaka manisy anarana ara-barotra (nom commercial) fanampiny izy hiantsoana ny orinasany.
Ikarakarana eny anivon'ny Centre Fiscal, ny INSTAT ary ny Tribunal.Manasaraka ny mpandraharaha amin'ny orinasany. Ny taratasy ara-panjakana dia misoratra amin'ny anaran'ny orinasa. Ny statut no ahitana izay tompon'ny orinasa. Samihafa ny fananana sy ny trosan'ny orinasa ary ny an'ny mpandraharaha.
Eny anivon'ny EDBM no miandraikitra ny fananganana azy.Fanontaniana 33 hahafantaranao ny tanjakao sy izay mbola tokony hampivelarinao.