Logo entrepreneuriat.mg Fandraharahanaentrepreneuriat.mg

Fandraharahana › Fitantanana ny orinasa

Hianatra

Ahoana no itantanana tsara ny orinasa?

Ny orinasa dia tsy tafiditra amin'ny fananganana ihany fa ny fitantanana azy isan'andro no mamaritra ny faharetany. Eto ny fototra, ny loharano 5 tokony hotantanana ary fiche pratique fito mikasika ny varotra, ny famokarana, ny vola, ny mpiasa, ny fitaovana, ny tahirin'entana ary ny fotoana.

Ny fototra

Manomboka amin'ny vina, ny iraka ary ny soatoavina ny fitantanana

Ny tompon'ny orinasa no mametraka ny làlana, ary azony atao ny mitantana ny orinasany mivantana na ny manakarama mpitantana hafa. Na iza na iza no mitantana, ny orinasa mahomby dia manaraka sombin-dalana mazava, ary mamerina mijery azy tsy tapaka.

VINAIzay toerana tiana hotratrarina amin'ny ho avy. Mamaritra ny làlana ho avy ny tompon'ny orinasa.
IRAKANy antony iorenan'ny orinasa: inona no atolotra, ho an'iza, ary hamaly inona.
SOATOAVINAIreo fitsipika arahina isan'andro, ny fomba fiasa sy fitondran-tena eo anatin'ny orinasa sy eo amin'ny mpanjifa.

Avy eo, ny mpitantana no mametraka ny paikady sy ny tanjona, dia manao drafitrasa arahina tetibola isan-taona entina anatanterahana ny asa rehetra. Ny tompon'ny orinasa dia mankatò izany rehefa tsy iray ny tompony sy ny mpitantana. Ho fantatra raha mandroso ny asa dia mila tabilao fandrefesana: mampitaha ny vita amin'ny tanjona napetraka, ary manampy amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra sy ny fanitsiana ny lalana. Ny fomba fiasa mifototra amin'ny kalitao (manao tombana, manitsy, manatsara hatrany) no mitahiry izany fanatsarana izany.

Ny andraikitry ny mpitantana

Loharano dimy tokony hotantanana

Ny mpitantana dia mitantana ireto loharano dimy ireto mba hahatratrarana ny tanjona. Ny iray amin'ireo no tsy voatantana tsara dia sarotra ny mitazona ny orinasa.

  1. Olonany mpiasa, ny mpiara-miombon'antoka
  2. Volany fidiram-bola sy ny fandaniana
  3. Fitaovanany fotodrafitrasa sy ny fitaovana fiasana
  4. Haitaony fomba fiasa sy ny teknolojia
  5. Akorany entana fototra amin'ny famokarana
Fiche pratique

Fito sehatra hotantanana isan'andro

Sokafy ny fiche mifanaraka amin'ny olanao: tsirairay dia manolotra ny zava-dehibe fantarina, ary mitondra mankany amin'ny kajy na ny pejy mifandraika aminy.

Fitantanana ny varotra

Ny hivarotra no dingana farany tsy maintsy alehan'ny orinasa: tsy misy dikany ny asa rehetra nialohavany raha tsy afaka nivarotra izy. Ny tanjona dia ny hahazo tombony amin'ny varotra.

  • Ny toe-tsaina fototra dia ny fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa: tsy mandeha ny varotra rehefa tsy afa-po izy.
  • Misy filàna ny mpanjifa: mila fantarina raha tsy fantatra, foronina raha tsy misy, tairina raha matory, ary ampitomboina raha kely.
  • Vonona ny hividy lafo ny mpanjifa rehefa mifanaraka amin'ny filàny ny tolotra, na rehefa vaovao sy miavaka izany.
  • Tsy voatery hilaza ny fahafaham-pony ny mpanjifa: anontanio izy (fanontaniana am-bava, taratasy tsy misy anarana…).
  • Karakaraina manokana ny mpanjifa miverimberina: matetika ny 20% amin'ny mpanjifa no mitondra ny 80% amin'ny fidiram-bola.
  • Miaraka amin'ny mpifaninana, jereo koa ny entana mahasolo, ny fahafahana mifampiraharaha amin'ny mpanjifa sy ny mpamatsy, ary ny vaovao tonga eo amin'ny sehatra (hery 5 araka an'i Porter).
Hamaky ny fiche feno momba ny varotra →
Fitantanana ny famokarana

Ny famokarana dia manolotra vokatra hamaliana ny filàn'ny tsena. Noho izany, ny asa famokarana dia tokony hialohavan'ny asa fitadiavana tsena.

  • Apetraka mialoha ny tanjona (isan'andro, herinandro, volana, taona) momba ny habetsaky ny vokatra hovokarina, mifandraika amin'ny tanjona ara-barotra.
  • Mifanaraka amin'izany ny laminasa, ny loharano ary ny fitaovana ampiasaina, ao anatin'izany ny akora vidiana (habetsaka, fotoana, kalitao).
  • Ara-teknika, misy filaharan'ny asa arakaraky ny haitao nosafidiana.
  • Atao ny kajy ilaina mba tsy hahafatiantoka ny orinasa, ary misy fomba fiasa hanaraha-maso ny fizotrany.
Hamaky ny fiche feno momba ny famokarana →
Fitantanana ny vola

Ny fitantanana ny vola dia ny mijery isan'andro ny vola miditra sy ny vola mivoaka, mba hahafantarana raha ampy ny vola kirakira mandritra ny volana manaraka.

  • Mamolavola tetibola isan-taona, ary mampitaha izany amin'ny zava-misy isam-bolana.
  • Fantaro ny vola ilaina anombohana sy ny vola ilaina hamatsiana ny fizotrin'ny asa (BFR).
  • Araho ny vola kirakira (trésorerie): orinasa mahomby aza mety hianjera raha tsy misy vola ao am-pelatanana.
  • Tandremo ny famerenana ny trosa sy ny zanabola, ary ny taha mitahiry ho an'ny fandaniana tsy ampoizina.
Hijery ny kajy ara-bola →
Fitantanana ny mpiasa

Ny olona no loharano ambony vidy indrindra anatin'ny orinasa: raha tsy misy azy, tsy misy afaka manatanteraka ny asa. Ny filamatry ny fiteny malagasy ihany koa dia manamafy fa « tsy misy harena afa-tsy ny olona ».

  • Anjaran'ny mpitantana ny mametraka ny rafitra, ny antanantohatra ary ny andraikitry ny tsirairay.
  • Ny mpiasa mazoto dia vidian-dafo. Tsy voatery ho vola ihany no mampazoto: afaka manampy ihany koa ny fankasitrahana am-bava.
  • Samy manana ny toe-tsainy ny olona: ny mpanatanteraka baiko, ny mpitantana, ary ireo te hanavao foana. Apetraho amin'ny toerana mety ny tsirairay.
  • Raisina tsara ny mpiasa vaovao mba hahatamana azy sy hanomezany ny fahaizany sy ny herim-pony ho an'ny orinasa.
  • Arahy ny lalàna momba ny asa, ary jereo ny karama sy ny saran'ny mpampiasa.

Dingana fandraisana mpiasa

1.Fandinihina ny filàn'ny orinasa ny mpiasa2.Fandinihina ny fahafahana manao anakaramana mpiasa3.Fanaovana fisin'andraikitry ny mpiasa horaisina4.Fandrafetana ny fepetra hofenoin'ny kandidà5.Fanaovana filazana fitadiavana mpiasa6.Fandraisana sy fandinihina CV an'ny kandidà7.Fitsapàna antsoratra / am-bava ireo kandidà8.Fisafidianana ny kandidà horaisina9.Fanaovana fifanarahana arakasa

Ohatra organigramme

Mpitantana(Rakoto)Mpanampy(Bozy)Tompon'andraikitrafamokarana (Rabe)Fitantanam-bola syfandrindrana (Rasoa)Tompon'andraikitravarotra (Ravao)

Ohatra tabilao fanombanana mpiasa mandritra ny taona

MaridrefyIsa ambony indrindra
Ny fahatratrarana ny tanjona50
Ny fahazotoana miasa10
Ny fahaizana miara-miasa10
Ny fandraisana andraikitra10
Ny fitondran-tena10
Ny tsy fanavotana fahadisoana10
Totaly100

Ny zavatra ao amin'ny fisin'ny mpiasa

  • Anarana sy fanampiny, ray sy reny niteraka, manambady na tsia, isan'ny zaza niteraka, CIN, adiresy.
  • Andro nidirana niasa, ny antsipirian'ny andraikitra, ny fahadisoana natao, ny zavatra misongadina vita.
  • Ny fivoaran'ny andraikitra, ny toetra tsara/ratsy, ary ny naoty isan-taona.
Kajy ny karama sy ny saran'ny mpampiasa →
Fitantanana ny fitaovana

Ny fitaovana (milina, fiara, solosaina, fanamafisana…) dia vola nampiasaina, ary mihena ny lanjany isan-taona. Ny fitantanana azy dia ny mitazona ny fahamarinany sy ny fiainany.

  • Ataovy lisitra ny fitaovana rehetra: vidiny, daty nahazoana azy, toerana misy azy ary ny tompon'andraikitra.
  • Manao fikojakojana ara-potoana mba hisorohana ny fahatapahan'ny asa tampoka.
  • Kajio ny fihenan'ny lanjany (amortissement) mba ho fantatra ny tena vidin'ny asa ary ny vola hamerenana ny fitaovana rehefa lany andro.
Hamaky ny fiche feno momba ny fitaovana →
Fitantanana ny tahirin'entana

Tsy ny orinasa rehetra no manana tahirin'entana: tsy manana izany ireo miasa amin'ny sehatry ny servisy (fampianarana, fizahan-tany, kajy mirindra…).

  • Ny entana mijanona ao anatin'ny orinasa dia vola matory. Ahena araka izay azo atao mba hanomezana vahana ny vola hiodina.
  • Miankina amin'ny fahafahana sy ny fotoana lany amin'ny fividianana akora na famokarana entana ny habetsaky ny tahiry.
  • Tokony hisy foana ny tahiry fiarovana amin'ny tsy ampoizina: loza voajanahary, fahataran'ny fahatongavan'ny akora, fitaovana simba, mpiasa tsy tonga, filan'ny mpanjifa tampoka…
Hamaky ny fiche feno momba ny tahiry →
Fitantanana ny fotoana

Ny fotoana dia loharano mety ritra, noho izany sarobidy ka tokony hotantanana. Ny tsy fahaizan'ny mpandraharaha mitantana ny 24 ora ananany isan'andro dia mitarika fikorontanana eo amin'ny fiainany manokana sy ny asany.

  • Ny filaharan'ny asa dia miankina amin'ny tanjona: laharam-pahamehana ny asa rehefa mitarika fanatrarana tanjona ny fanatanterahana azy.
  • Ny fahaizana mizara asa dia manome fotoana malalaka kokoa ho an'ny asa hafa. Misy fepetra arahina nefa: tsy ny asa rehetra no omena olon-kafa, ary tsy ny mpiara-miasa rehetra no azo itsinjarana fahefana.
  • Ny fanaovana andrasandrasana sy ny fanaovana ampitso lava dia mitarika fahaverezam-potoana, toy ny tsy fifantohana amin'ny asa atao.
  • Ny tsy fifehezan-tena dia manakorontana ny fandaharam-potoana napetraka mialoha.

Ny 24 ora isan'andro

ASA (8 ora)TORIMASO (8 ora)FIANAKAVIANA (8 ora)1 ANDRO = 24 ora

Laharam-pahamehana : maika sa manan-danja?

MANAN-DANJA
TSY MANAN-DANJA
MAIKA
1 · Atao avy hatranyMaika sady manan-danja.
3 · Maika nefa tsy manan-danjaAzo omena hafa na ahena.
TSY MAIKA
2 · PlaninaTsy maika fa manan-danja : ataovy mialoha ny fotoana.
4 · AjanonyTsy maika sady tsy manan-danja.
  • Vatobe : ny laharam-pahamehana (ataovy aloha).
  • Vatokely : manan-danja fa tsy maika.
  • Fasika : tsy manan-danja fa maika.
  • Rano : tsy maika sady tsy manan-danja.

Raha ny vatobe no atao aloha ao anaty tavoahangy, mbola misy toerana ho an'ny vatokely, ny fasika ary ny rano. Raha ny rano sy ny fasika no atao aloha, tsy hiditra intsony ny vatobe.

Fizarana asa : iza no azo omena?

TSY MANAMPINIAVANA
MANAMPINIAVANA
MAHAY
FamporisihinaMahay nefa tsy manampiniavana : mila amporisihina izy hahatoky tena kokoa.
Fitsinjaram-pahefanaMahay sady manampiniavana : zarao aminy ny asa fa azo atokisana izy.
TSY MAHAY
Baikoina sy didianaTsy mahay sady tsy manampiniavana : mila baikoina sy didiana izy vao afaka miasa.
FampianaranaTsy mahay nefa manampiniavana : mbola mila ampianarina izy aloha vao izarana asa.

Hanomboka ny fitantanana ny tetikasanao

Ampiasao ny kajy maimaimpoana mba hanadihadiana ny vola, ary arahy ny dingana enina mba hanangana ny orinasanao tsara.

KajyDingana 6

Loharano

  • entrepreneuriat.mg, pejy taloha « Fitantanana ny orinasa » sy ny fiche momba ny varotra, famokarana, vola, mpiasa, tahirin'entana ary fotoana (2020, havaozina tamin'ny 2025).
  • Porter, M. E. (1979). « How Competitive Forces Shape Strategy », Harvard Business Review, 57(2), 137-145.