Fandraharahana › Fanadihadiana
Auto-diagnosticFanadihadiana
Tongasoa eto amin'ity fanadihadiana ity. Misy fanontaniana miisa 33 no valianao eto, izay mila 10 minitra eo ho eo ny famaliana azy. Raha vonona ianao dia tsindrio ny « Manomboka ».
Misaotra anao manao an'ity fanadihadiana (auto-diagnostic) ity.
Tanjona
- Ny hamantaranao raha efa tena vonona tokoa ianao hanomboka fandraharahana;
- Ny afahafanao mandini-tena hoe aiza ho aiza ianao izao, inona no vita sy tokony mbola atao.
Fanazavana
- Tsy fitsapam-pahaizana akory izy ity ka noho izany tsy misy ny valim-panontaniana diso sy marina;
- Manainga anao hamaly ny fanontaniana ankitsim-po mba tsy hahadiso ny valiny;
- Mila 10 minitra eo ho eo ny fanaovana ity fanadihadiana ity;
- Tsy nalahatra ny fanontaniana fa navadibadika mba tsy hisy fiantraikany amin'ny valiny mety hapetrakao.
Valiny
- Any amin'ny faran'ny fanontaniana no azonao ny valiny;
- 100 no isa ambony indrindra mety ho azo;
- Ny isa kely dia midika fa mbola tsy vonona ianao ny hanomboka ny fandraharahana;
- Ny isa lehibe manakaiky ny 100 dia midika fa efa tena vonona ianao hanomboka ny fandraharahana.
Sokajy 5 no ahitana ny fanontaniana:
Tsy voatahiry any amin'ny tranokala ny valinao: any amin'ny solosainao na findainao ihany no mijanona.
Valin'ny fanadihadianao
Marihina fa nisy sokajy 5 ilay fanadihadiana teo, ka ireto avy ny isa azonao. Ny tanjona dia ny ahafahanao mieritreritra raha efa tena vonona tokoa ianao amin'ny fananganana ny orinasanao… na mbola misy fanomanana tokony atao.
Misaotra anao nahatontosa hatramin'ny farany ity fanadihadiana ity ! Fitaovana fisaintsainana fotsiny ity, tsy fitsapam-pahaizana na toromarika ara-dalàna.