Atao hoe ara-dalàna ny orinasa rehefa manana taratasy telo: ny CIF/NIF, ny carte statistique ary ny RCS. Ny lalana arahina dia miankina amin'ny karazan'orinasa nofidinao, ary azo atao an-jotra (en ligne) any amin'ny EDBM ny ankamaroan'ny fananganana société.
Efa azo atao an-jotra (en ligne) ny fananganana orinasa
Tsy voatery mandeha any amin'ny birao maro intsony ny mpandraharaha rehetra: ny guichet unique an'ny EDBM dia nanomboka nanao ny fombafomba an-jotra (en ligne), ary mbola mivelatra any amin'ny faritra.
Mamorona espace personnel ao amin'ny portail Orinasa, mameno ny momba ny orinasa, ny mpiara-miasa sy ny foibe, ary mampiditra ny taratasy sonia.Ao koa ny lisitry ny taratasy isaky ny forme juridique, ny simulateur ny sarany ary ny code d'activité (NOMAC).
Ny fisoratana anarana dia 48 ora raha ny fanambarana ofisialy tamin'ny 2025 (72 ora teo aloha).Mivelatra tsikelikely any amin'ny faritra; Analamanga no nialoha.
Mbola misy fotoana mety hiaraka amin'ny taratasy: rehefa nekena ny dossier dia misy rendez-vous hamaranana ny sarany sy hametrahana ny dossier ara-batana.Ny entreprise individuelle kosa mbola mankany amin'ny Centre fiscal (jereo etsy ambany).
Ireo taratasy telo
Inona avy ireo taratasy ara-dalàna, ary iza no manome azy?
Telo no tokony hazonao rehefa vita ny fananganana: dia ny laharana ara-ketra, ny laharana ara-statistika ary ny fisoratana anarana ao amin'ny rejistra ara-barotra.
NIF
Carte d'Identification Fiscale
Ahitana ny Numéro d'Identification Fiscale, ilaina amin'ny fandoavana ny hetra sy amin'ny fifandraisana amin'ny fanjakana.
Eo anivon'ny
Centre fiscal (DGI): ho an'ny société dia alefa amin'ny alalan'ny guichet unique EDBM.
INSTAT (Service du Fichier des Établissements): ho an'ny société dia ao anatin'ny dossier EDBM.
RCS
Registre du Commerce et des Sociétés
Fisoratana anarana ara-barotra, manome ny extrait RCS hanehoana fa ara-dalàna ny orinasa.
Eo anivon'ny
Tribunal (TPI) ho an'ny entreprise individuelle; guichet unique EDBM ho an'ny société.
Ny lalana ho anao
Entreprise individuelle sa société?
Misy karazany roa lehibe ny orinasa, ary arakaraka izay ny toerana ikarakarana ny taratasy. Safidio ny anao mba hahitana ny dingana, ny taratasy ary ny sarany.
Dingana ho an'ny entreprise individuelle
Natao ho an'ny mpiasa tena (profession libérale, artisan…). Ny taratasy ara-panjakana dia misoratra amin'ny tenan'ny mpandraharaha, ary tsy misaraka ny fananana sy ny trosany amin'ny an'ny orinasa. Afaka manisy nom commercial ianao.
Manambara ny asa ao amin'ny Centre fiscal
Ao amin'ny Centre fiscal misy ny foibe ianao no manambara ny asa, ary mandoa ny acompte provisionnel (hetra). Ny bordereau de versement no porofo.
Misoratra anarana ara-statistika
Ao amin'ny INSTAT (Service du Fichier des Établissements). Entina: ny bordereau de versement, ny karatra nasionaly (CIN) ary ny certificat de résidence.
Manomana ny dossier amin'ny NIFONLINE
Mila bail commercial ho an'ny foibe (na dia ny fonenanao aza), ny porofon'ny bail (CSJ na titre de propriété + plan de repérage) ary ny fahazoan-dalana mialoha raha asa voafehy.
Mametraka ny dossier ary mahazo ny NIF
Atao ao amin'ny Centre fiscal ny fametrahana azy, ary mahazo ny NIF. Avy eo dia misoratra anarana ao amin'ny RCS any amin'ny Tribunal (TPI).
Fanamarihana: teo aloha dia nangatahina tamin'ny fokontany ny certificat de résidence sy d'existence alohan'ny hankany amin'ny Centre fiscal. Ny filaharana dia mety ho hafa arakaraka ny toerana: hamarino amin'ny Centre fiscal misy anao.
Lisitry ny taratasy
Tsindrio ny tsirairay rehefa vonona. Tehirizina ao amin'ny finday/ordinatera ny valinteninao.
Ny sarany (Ar)
Sarany entreprise individuelle
Acompte IR (hetra amin'ny fidiram-bola)
100 000 – 1 000 000
Acompte IS (impôt synthétique)
16 000 – 150 000
Fisoratana anarana ao amin'ny registre de commerce
6 000
Carte statistique
20 000
Ny acompte dia miankina amin'ny sata ara-ketra sy ny asa: ny simulateur an'ny EDBM no tena mamaritra ny anao.
Dingana ho an'ny société
SARL, SARLU, SA, SAU…: manasaraka ny mpandraharaha amin'ny orinasany. Ny taratasy ara-panjakana dia misoratra amin'ny anaran'ny orinasa, ary ny statuts no ahitana izay tompon'ny orinasa. Samihafa ny fananana sy ny trosan'ny orinasa ary ny an'ny mpandraharaha.
Mifidy ny forme juridique sy ny code d'activité
Jereo hoe mila mpiara-miasa ve ianao, hiaro ny fananana manokana ve, ary misy fitsipika manokana ve ny asanao. Karohy ny code NOMAC mifanaraka amin'ny asanao.
Manoratra ny statuts
Ao: forme juridique, anarana, objet social, foibe, mpiara-miasa sy ny fandraisan'izy ireo anjara, ny fampandehanana ary ny faharetana (hatramin'ny 99 taona). Mety hahazo mpiara-miasa vahiny; raha tsy monina eto ny tompony dia mila mpitantana monina eto.
Manomana ny foibe sy ny taratasy hafa
Bail commercial ho an'ny foibe (na domisily manokana aza), ny porofon'ny bail (CSJ na titre de propriété, certificat d'existence du local, plan de repérage), mpitantana iray monina farafaharatsiny, ary fahazoan-dalana mialoha raha asa voafehy.
Mamorona espace personnel ao amin'ny orinasa.edbm.mg
Mameno ny fampahalalana an-jotra (en ligne), ampifanaraho amin'ny taratasy, avy eo ampidiro ny taratasy efa nosoniavina.
Fanamarinana ny dossier ary rendez-vous
Rehefa hita fa mety ny dossier dia misy fotoana omena ho amin'ny fandoavana ny sarany sy ny fametrahana ny dossier ara-batana.
Fahazoana ny taratasy
NIF, carte statistique ary RCS. Ny fanambarana ofisialy tamin'ny 2025 dia milaza fa 48 ora ny fisoratana anarana, saingy mety ho lava kokoa raha asa voafehy (fahazoan-dalana).
Fanamarihana: ny fananganana an-jotra (en ligne) dia nanomboka tao Analamanga ary mbola mivelatra any amin'ny faritra. Raha any ivelan'i Antananarivo ianao dia hamarino aloha amin'ny EDBM ny fomba arahina eo an-toerana.
Lisitry ny taratasy
Tsindrio ny tsirairay rehefa vonona.
Ireo misy hoe « hamarino » dia voalaza tamin'ny gazety/tranonkala tsy ofisialy tamin'ny 2022: jereo ao amin'ny lisitra ofisialy isaky ny forme juridique ao amin'ny orinasa.edbm.mg hoe mbola takiana ve.
Ny sarany (Ar)
Sarany société
Registre de commerce
16 000
Carte statistique
40 000
Acompte (hetra aloa) IS
16 000 – 150 000 araka ny asa
Acompte IR
100 000 (320 000 ho an'ny « autres secteurs »)
Fisoratana ny statuts (SARL, SNC, SCS, SC)
0,5 % amin'ny capital (farafahakeliny 10 000)
Fisoratana ny bail
2 % amin'ny hofan-trano mandritra ny bail (farafahakeliny 10 000)
Tarehimarika nampitahaina tamin'ny simulateur ofisialy an'ny EDBM tamin'ny 20 oktobra 2026. Ny SA, ny GIE ary ny SDET dia manana tsipika hafa.
Kajy feno ny sarany
Fanontaniana iray ihany eo amin'ny efijery iray, fampitahana ny forme juridique, ny IS sy ny IR, ary fanamarinana mivantana amin'ny simulateur ofisialy.