Logo entrepreneuriat.mg Fandraharahanaentrepreneuriat.mg

Fandraharahana › Dingana 6

Ny lalana arahina

Inona ireo dingana arahina raha hanangana orinasa?

Dingana enina, vondrona telo. Ny tsirairay dia misy ny asa tokony atao sy ny fitaovana hanampy anao. Azonao atao ny manaraka azy mifanesy, na mivantana amin'ny dingana misy anao. Ny dingana aseho eto dia manaraka ity lôjika ity: MIKETRIKA → MIKOTRIKA → MIKATROKA.

Dingana 1 sy 2 · mandinika sy mamolavola

MIKETRIKA

Mijery foana ny irika azahoana tsena sy tombony (opportunité): alohan'ny hevitra dia ny fijery.

01

Mandinika ny zava-misy

Alohan'ny hevitra dia ny fijery: inona no miova manodidina anao, inona no ilain'ny olona, ary inona avy ireo harena azo trandrahana eo amin'ny faritra misy anao?

  • Manara-baovao ary mijery ny tontolo ara-toekarena, sôsialy sns.
  • Manaramaso ny fivoaran'ny filàn'ny mpanjifa
  • Mitady antontan-kevitra isan-karazany mikasika ny loharanon-karena azo trandrahana
Fitaovana mifandrayToetsaina mpandraharaha
Dingana manaraka ↓
02

Mamolavola hevitra

Ny vokatra dia vaha-olana. OLANA = IRIKA = VOLA: fidio ny irika mifanaraka amin'ny fahaizanao sy ny fitiavanao, ary avadiho ho vina mazava.

  • Misafidy amin'ireo irika azahoam-bola
  • Manangana ny vina
  • Manamboatra môdelim-pandraharahana (business model)
Dingana manaraka ↓
Dingana 3 sy 4 · manadihady sy mandrafitra

MIKOTRIKA

Manomana tetikasa sy drafitra ho enti-miasa: hamarino alohan'ny hampiasana vola.

03

Manao fanadihadiana

Hamarino alohan'ny hampiasana vola: azo atao ve ara-teknika, misy mpividy ve, ary hividy amin'ny vidiny inona?

  • Manadihady ara-teknika ny fazahoana manamboatra ilay tolotra na vokatra
  • Manao vokatra andrana ary manontany ny mpanjifa
  • Manadihady ny tsena
Dingana manaraka ↓
04

Manao drafitra

Ny drafitra fandraharahana (Business Plan) no hampiseho ny tetikasanao sy handresy lahatra ireo mpamatsy vola sy mpiara-miasa.

  • Manoratra ny drafitra fandraharahana (Business Plan)
  • Manisa ny vola ilaina anombohana
  • Mikajy ny vola kirakira sy ny vinavina 3 taona
Dingana manaraka ↓
Dingana 5 sy 6 · mitady mpiara-dia sy manangana

MIKATROKA

Mijoboka manatanteraka fa tsy manao ariary zato am-pandriana na revin-gadra fotsiny.

06

Manangana ny orinasa

Ara-dalàna ny orinasa rehefa manana taratasy telo: CIF/NIF, carte statistique ary RCS. Misafidiana sata mifanaraka amin'ny habe sy ny tanjon'ny tetikasanao.

  • Misafidy ny satan'ny orinasa (entreprise individuelle, SARL, SARLU, SA…)
  • Manangana ny orinasa ara-dalàna
  • Manomboka ny asa ary manara-maso ny vola miditra sy mivoaka
Fantaro ny toeranao amin'ny fanadihadiana →

Tsy fantatrao hoe aiza ianao amin'ireo dingana ireo?

Ny fanadihadiana no hanoro anao ny dingana tokony hanombohanao.

Hanao ny fanadihadiana