Logo entrepreneuriat.mg Fandraharahanaentrepreneuriat.mg

Fandraharahana › Fitantanana ny orinasa › Famokarana

Fiche feno

Fitantanana ny famokarana

Ny famokarana dia manolotra vokatra hamaliana ny filàn'ny tsena. Eto ny fomba hamolavolana drafitra, hikajiana ny tena vidin'ny vokatra ary hanaraha-maso ny kalitao.

Ny zava-dehibe tokony ho fantatra

Ny famokarana dia manolotra vokatra hamaliana ny filàn'ny tsena

Noho izany, ny asa famokarana dia tokony hialohavan'ny asa fitadiavana tsena: tsy mamokatra mialoha isika vao mitady mpanjifa, fa fantatra aloha izay tadiavin'ny mpanjifa, avy eo dia ovolavolaina ny vokatra. Ny fitantanana ny famokarana dia mampifandanja ny tanjona, ny loharano, ny fotoana, ny kalitao ary ny vidiny.

Drafitratanjona sy oraAkorafividiananaFanodinanaasa sy milinaKalitaofanaraha-masoFonosanasy tahiryFandefasanampanjifaTamberin-kafatra: manitsy ny drafitra araka ny zava-bita
Tanjona mialoha

Apetraka mialoha (isan-taona, volana, herinandro, andro) ny habetsaky ny vokatra hovokarina, mifandraika amin'ny tanjona ara-barotra.

Loharano mifanaraka

Ny laminasa, ny loharano ary ny fitaovana ampiasaina dia mifanaraka amin'ny tanjona, ao anatin'izany ny akora vidiana (habetsaka, fotoana, kalitao).

Filaharan'ny asa

Ara-teknika, misy filaharan'ny asa arakaraky ny haitao nosafidiana.

Kajy sy fanaraha-maso

Misy kajy atao mba tsy hahafatiantoka ny orinasa, ary fomba fiasa hanaraha-maso ny fizotry ny asa.

Ho an'ny servisy ihany koa: ny fototra dia mitovy. Ny « vokatra » dia fanompoana (fampianarana, fizahan-tany…): tsy misy tahiry azo tehirizina, ka ny fotoana sy ny mpiasa no loharano tena tsy maintsy lamina.
Drafitry ny famokarana

Raha tsy mifanaraka ny tanjona sy ny fahafahana, tsy ho tanteraka ny drafitra

Mamolavola drafitra izay mampifandray ny tanjona ara-barotra sy ny fahafahana misy: ny ora azo ampiasaina (mpiasa × ora × andro), ny fitaovana, ny akora. Ny taham-pampiasana ny fahafahana dia ora ilaina ÷ ora azo ampiasaina.

Ohatra: fitsarana ny fahafahana amin'ny volana (800 ora azo ampiasaina)
VokatraTanjona isam-bolanaOra isaky ny vokatraOra ilainaFampiasana
Ranomboankazo 1 L2 0000,0510012,5 %
Confiture 250 g1 2000,1214418 %
Voankazo maina 100 g8000,1512015 %
Fitambarany——36445,5 %

Eto, 45,5 % ny fahafahana no ampiasaina: afaka manampy tanjona vaovao ny orinasa. Raha mihoatra ny 100 % ny valiny, dia tsy azo tanterahina ny drafitra raha tsy mampitombo ora, mpiasa na milina; ary raha ambany noho ny 60 % lava, dia mety tsy ampy ny baiko na lafo be loatra ny saran'ny orinasa isaky ny vokatra.

Ny filàna akora

Ho an'ny vokatra tsirairay, ampitomboina ny habetsaky ny akora isaky ny vokatra amin'ny tanjona; ampitahaina amin'ny tahiry ao amin'ny trano fitehirizana; ny sisa dia vidiana araka ny fotoana fahatongavana. Mifandray mivantana amin'ny fitantanana ny tahirin'entana izany: ny teboka famandrihana dia mitondra ny baiko mandeha ho azy.

Vidin'ny vokatra

Fantaro ny tena vidin'ny vokatra iray alohan'ny hamaritana ny vidiny ivarotana

Ny coût de revient dia ny fitambaran'ny akora, ny asa mivantana ary ny anjaran'ny saran'ny orinasa tsy miova isaky ny vokatra. Raha tsy fantatra izany, mety hivarotra mahafatiantoka ny orinasa na dia mahita varotra aza.

Vidin'ny ranomboankazo iray litatra — 5 240 ArAkora3 279 ArAsa: 210 ArSaran'ny orinasa: 535 ArTombony 30 %1 216 ArVidiny (coût de revient) = 4 024 Ar
Ohatra: vidin'ny ranomboankazo iray litatra
SingaVidiny isaky ny vokatra
Akora (voankazo, siramamy, rano, tavoahangy, takelaka)3 279 Ar
Asa mivantana (fanodinana sy fonosana)210 Ar
Saran'ny orinasa tsy miova (1 070 000 Ar ÷ 2 000 isa)535 Ar
Vidiny (coût de revient)4 024 Ar
Tombony irina 30 %1 216 Ar
Vidiny ivarotana soso-kevitra (voahodidina)5 240 Ar
Fetra tsy maha-matiantoka = saran'ny orinasa tsy miova ÷ (vidiny ivarotana − saran'ny vokatra mivantana)
Ohatra: 1 070 000 ÷ (5 240 − 3 489) = 612 vokatra isam-bolana. Ambany noho izany ny varotra: mahatsapa fahavoazana ny orinasa.

Ny kajy tsirairay dia azonao ampiasaina ao amin'ny pejy Kajy ny vidin'ny vokatra, na ao amin'ny Excel eto ambany. Raha tsy hita ny vidiny ivarotana mifanaraka amin'ny tsena, tokony hatao ny fitiliana ny saran'ny akora, ny fampihenana ny fahavoazana, na ny fanovana ny fomba fiasa, fa tsy ny fampihenana ny kalitao.

Drafitry ny famokarana sy kajy ny vidin'ny vokatra

Pejy roa: drafitra famokarana miaraka amin'ny kajy ny fahafahana, ary kajy ny coût de revient, ny vidiny ivarotana soso-kevitra ary ny fetra tsy maha-matiantoka.

Haka ny Excel
Fanaraha-maso sy kalitao

Mikasa, manatanteraka, manamarina, manitsy

Ny fomba fiasa miorina amin'ny kalitao dia ny fandehanana amin'ny tsingerina iray tsy mitsahatra, araka ny nasain'i Deming: mikasa (drafitra), manatanteraka, manamarina ny vokatra amin'ny tanjona, ary manitsy. Ny famokarana tsy misy fanaraha-maso dia mitondra fahavoazana, fahatarana ary mpanjifa tsy afa-po.

Taha-pahavoazanaIsan'ny vokatra simba ÷ isan'ny vokatra vita. Ahena hatrany.
Taha-pampiasana ny fahafahanaOra tena nampiasaina ÷ ora azo ampiasaina.
Fotoana famokaranaOra na andro hatramin'ny akora ka hatramin'ny vokatra vita.
Vidiny isaky ny vokatraAraho isam-bolana ary ampitahao amin'ny vidin'ny drafitra.
  1. Tanjona voasoratraNy isa tiana sy ny daty, fantatry ny mpiasa rehetra.
  2. Tabilao fandrefesanaTaratasy tokana misy ireo indikatera efatra eo ambony, feno isaky ny herinandro.
  3. Fanamarinana tamin'ny fandraisana akoraNy akora tsy ampy kalitao dia tsy atao ao amin'ny famokarana.
  4. Fanamarinana eo am-pamokaranaNy fahavoazana dia hita aloha, tsy rehefa vita ny vokatra.
  5. Fandrenesana ny mpanjifaNy fitarainana dia fahafahana manatsara.
  6. Fikojakojana ny fitaovanaJereo ny fiche momba ny fitaovana.
  7. FanatsaranaIsan-telovolana, mijery ny fahavoazana lehibe indrindra ary mitady ny antony.

Mifandray amin'ny fitaovana sy ny tahiry

Ny famokarana dia miankina amin'ny fitaovana tsara toetra sy ny tahiry fiarovana. Jereo koa ireo fiche roa.

Fitantanana ny fitaovanaFitantanana ny tahirin'entana

Loharano

  • entrepreneuriat.mg, pejy taloha « Gestion de la production (Fitantanana ny famokarana) », 2020, havaozina tamin'ny 2025.
  • Deming, W. E. (1986). Out of the Crisis, MIT Center for Advanced Engineering Study.
  • Heizer, J., Render, B. & Munson, C. Operations Management: Sustainability and Supply Chain Management, Pearson.
  • Slack, N., Chambers, S. & Johnston, R. Operations Management, Pearson.
  • Plan comptable général 2005, Madagascar — évaluation des coûts et des stocks.

Ny ohatra sy ny môdely Excel eto amin'ity pejy ity dia noforonin'ny Cabinet Esprit d'Entreprise ho an'ny fianarana; tsy avy amin'ny pejy taloha. Ny isa dia ohatra, ary tokony hovaozina araka ny zava-misy ao amin'ny orinasanao.