Sélectionner une page

Ahoana no fomba atao ahitana hevitra
entina mandraharaha?

Ny dingana arahina!

Misy dingana arahina rehefa mandraharaha ka voalohany amin’izany ny fitadiavana hevitra?

Ny fototra tokony ho fantatra

  • Ny TOLOTRA manandanja ho an’ny MPANJIFA dia izay mamaly ny FILANY. Vonona ny hividy lafo izy rehefa mifanandrify amin’ny zavatra tadiaviny no atolotra azy;

  • Ny zavatra VAOVAO tsy mbola misy mpanao dia manandanja kokoa ho an’ny MPANJIFA. Maharitra kokoa ny orinasa rehefa sarotra alain-tahaka ny vokatra varotiny. Lafo vidy kokoa ny entana miavaka sy tsy misy mitovy aminy;

  • Ny VOKATRA dia tokony VAHA-OLANA entina mamaha OLANA. Ny asan’ny mpandraharaha dia ny mamantatra ny OLANA misy manodidina azy ary mivarotra VAHA-OLANA entina mamaha izany.

Inona no zavatra mety na tokony hiaingàn’ny eritreritra voalohany?

i

Ny zavatra hainao

Raha olona nianatra ianao dia afaka iaingànao izay zavatra nianaranao.

Ny zavatra tianao

Mazoto sy maharitra ianao raha zavatra tianao no iaingànao.

Ny fakankevitra

Afaka maka torohevitra @ namana na fianakaviana na olona manana traikefa.

Ny famoronana

Mamorona vokatra vaovao mbola tsy fahita eny an-tsena eo an-antoerana.

Ny fironan'ny filàn'ny mpanjifa

Ny fahaizanao mijery ny fiovaovan’ny filan’ny mpanjifa sy mijery ireo mety ho filàny manaraka.

r

Ny olana misy

Jereo ny olana misy manodidina anao ka ijereo vahaolana azo varotina azahoana tombony. OLANA = IRIKA = VOLA

Ny otrikarena eo @ faritra

Ianao no mahita hoe inona avy ireo otrikarena misy eo @ faritra onenanao ka azo ketrehina.

R

Ireo laharam-pahamehana

Ho antsika eto Madagasikara: ny agribusiness, ny fizahantany, ny TIC, ny lamba, ny fotodrafitrasa.

FANDALINANA NY ZAVA-MISY AHITANA SORIDALANA!

Ity fomba fiasa iray ity dia manasa anao handinika ny momba anao manokana (ny tanjaka sy ny fahalemenao) ary hijery ihany koa avy eo ny manodidina anao (ny irika azonao araraotina sy ny loza manambana).

Izy io dia ahitanao soritra ny lalankaleha mifanaraka @ zava-misy sy ny mety ho vitanao.

TANJAKA

IRIKA AZO ARARAOTINA

FAHALEMENA

LOZA MANAMBANA

Fenoinao io tabilao eo ambony io rehefa manao fandinihantena sy fandinihina ny manodidina anao ianao.

Rehefa avy eo dia mivoaka ny tsirinkevitra fandraharahana mifanaraka amin’ny tenanao sy ny manodidina anao.

Raha mitady fitaovana feno kokoa inao ahafahanao manao fandalinana dia jereo ato.

Ny dingana manaraka

  • Ny fandrafetana ny MODELIM-PANDRAHARAHANA (Business Model – jereo ato);

  • Ny fandrafetana ny DRAFITRA FANDRAHARAHANA (Business Plan – jereo ato).

 

Raha hijery an-tsary ny dingana rehetra dia ato

Ohatra fakan-tahaka

Niasa ho an’olona izy tany aloha. Sakafo no sehatrasa misy azy. Sady tiany no nananany fahaizana sy traikefa ny zavatra nataony. Nanapakevitra izy ny hiasa tena.

Chef Mbinina

Gastro Pizza, Madagasikara

Expert-comptable tany ivelany izy kanefa nahita fa laharam-pahamehana eto @ Nosy ny fambolena ary nahita fa misy otrikarena (tain’ny ramanavy) azo ketrehina atao ho zezika.

Eric RAJAONARY

GUANOMAD, Madagasikara

Efa mpiasan’ny orinasan-tserasera izy teo aloha. Sady tiany ny asany, nananany traikefa sy fahaizana ary hainy ny nanaraka ny fironan’ny filàn’ny mpanjifa.

Nicolas RABEMANANJARA

TV Plus, Madagasikara

Hijery ireo tantaran’ireo mpandraharaha hafa…

Môdelim-pandraharahana:

Ito fitaovana iray ito  indray dia ampiasaina rehefa avy mahita hevitra entina mandraharaha ianao.
Ny azy indray dia ireo karazana mpanjifa nosafidianao no iatombohan’ny resaka rehetra… (jereo ato)
error: oops !