Sélectionner une page

Ahoana no atao raha
hanangana ara-dalàna ny orinasa ?

Ny dingana!

Raha te hahafantatra ny dingana arahin’ny mpandraharaha @ fiketrehana orinasa dia tsindrio ny bokotra.

  • Entreprise individuelle
    → any @ Centre fiscal

  • Société (SARL, SARLU, SA, SAU)
    → any @ EDBM

NY FANANGANANA ARA-PANJAKANA NY ORINASA

Atao hoe ara-dalàna ny orinasa rehefa manana ireto taratasy telo samihafa ireto:
1. ny Carte d’Identification Fiscale (CIF), ahitana ny Numéro d’Identification Fiscale (NIF);
2. ny Carte statistique;
3. ny Extrait du Registre du Commerce (RCS).

Misy karazany roa lehibe nefa ny orinasa dia arakarak’izay ny toerana ikarakarana ny taratasy, dia ireto voalaza manaraka ireto:
1. entreprise individuelle
2. société

Ny entreprise individuelle dia eny anivon’ny Centre Fiscal, ny INSTAT ary ny Tribunal no atsangana. Ny société kosa dia eny anivon’ny EDBM no miandraikitra ny fananganana azy.

→ Ny Entreprise Individuelle, natao ho an’ny mpiasa tena (profession libérale, artisan …) dia mampifangaro ny fananana sy ny trosan’ny mpandraharaha amin’ny an’ny orinasany. Ny taratasy ara-panjakana (oh: NIF, STAT, RCS) dia misoratra amin’ny tenan’ny mpandraharaha. Afaka manisy anarana ara-barotra (nom commercial) fanampiny nefa izy hiantsoana ny orinasany.

→ Ny société (SARL, SARLU, SA, SAU) kosa dia manasaraka ny mpandraharaha amin’ny orinasany. Ny taratasy ara-panjakana dia misoratra amin’ny anaran’ny orinasa. Ny statut kosa no ahitana izay tompon’ny orin’asa. Samihafa ny fananana sy ny trosan’ny orinasa ary ny an’ny mpandraharaha.

16 0000 - 150 000 Ar ny NIF. 20 000 Ar ny STAT. 8000 aR NY RCS

andro monja ny fananganana société

TARATASY ILAIN’NY CENTRE FISCAL RAHA HANANGANA ENTREPRISE INDIVIDUELLE

 

1. Ireto taratasy ireto no alaina eny amin’ny fokontany ary entina mankeny amin’ny Centre Fiscal:

  • Certificat de résidence
  • Certificat d’existence

2. Omen’ny Centre Fiscal taratasy ianao ahafahanao maka Carte Statistique eny anivon’ny Service Statistique

3. Miverina mankeny amin’ny Centre Fiscal ianao maka ny Carte Fiscale/Numéro d’Identification Fiscale (NIF)

 

 

TARATASY ILAIN’NY EDBM RAHA ANANGANA SOCIETE

 

 

entrepreneuriat.mg

Fandraharahana malagasy miroborobo no tanjontsika !
error: oops !