Sélectionner une page
Tongasoa !   Natao ho anao mitady torohevitra sy tantsoroka amin'ny fananganana orinasa ity tranokala ity.   Misy zavatra mety hahasoa anao mpandraharaha efa amperin'asa ihany koa ato.   Raisinay an-tanandroa izay fanakihanana ho fanatsarana, sy izay torohevitra mahasoa avy aminao.   Mankasitraka tompoko!

Miarahaba tompoko!

Vonona ny handraharaha ve ianao?

Asainay ianao hanao fanadihadiana
hahafahanao mandrefy ny fahavononanao!

Atoro anao ny lalana akaiky sy mahitsy

Ny lakilen’ny fahombiazana !

Inona no heverinao ho sakana roa (02) lehibe indrindra @ fananganana orinasa?
  • Hanome hevitra hafa
Inona tokoa kay no atao hoe ORINASA?

Ny orinasa dia lamina sy rafitra natao anodinana ny akora ka amokarana vokatra amin’ny alalan’ny fampiasana vola, olona, fitaovana, akora ary haitao. Tsy ny birao akory no atao hoe orinasa araka ny hevi-diso mateti-pitranga!

Inona no atao hoe MPANDRAHARAHA?
Ny mpandraharaha dia olona mpanangana orinasa. Izy no tompony fa tsy hoe mpitantana fotsiny akory. Mety mitantana ny orinasany izy na koa manakarama olonkafa hanao izany. Nanana nofinofy izy teny amboalohany ka navadiny ho vina izany ary notanterahiny.
Inona no atao hoe VINA?
Ny VINA dia nofinofy efa voadinika tsara ka avadika ho tanjona lavitra ezaka ho azo tratrarina. Amin’ny fandraharahana ny vina dia ny orinasanao, alaina sary an-tsaina ny fandrosoany sy ny firoboroboany, rahatrizay ka tafita amin’ny tanjona.
Inona no tena toetra mampiavaka ny mpandraharaha?
Toetra telo no tena mampiavaka ny mpandraharaha: ny fananana vina, ny fananana fifandraisana ary ny fikirizana. Tena zava-dehibe ny fikirizana satria ny mpandraharaha dia tsy kivikivy foana. Na mianjera im-polo kely aza izy dia miarina im-polo kely araka ilay ohabolana hoe « Indray mandeha ve no manta vary dia handevin-tsotrobe »
Inona indray kosa no maha zava-dehibe ny FIFANDRAISANA?
Tsy voatery hanana fahaizana, na fitaovana na vola na zavatra hafa ny mpandraharaha. Aminy dia tsy ny « manana » no zava-dehibe fa ny « fahaizana manetsika sy miara-miasa amin’ny olona manodidina azy ». Ilainy tokoa arak’izany ny mifandray amin’ny rehetra araka ilay fiteny hoe « tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy »

Ireo zavatra 3 mampiavaka ny mpandraharaha

1. Fananana tanjona lavitra ezaka

Ny fanatrarana tanjona no antony iasanao mafy. Lasa mazozo ianao hiasa mba hanatratra izany.

2. Fahaizana mifandray

Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy. Mila maifandray sy miara-miasa amin’ny rehetra.

3. Tsy mora kivy

Raha mianjera im-polo dia mitsangana im-polo. Tsy indray mandeha no mantavary ka handevin-tsotrobe.

Samia mitandrina!

mbola tsy resy ny aretina!

Ny vidin'ny volamena anio
  • 1 ONCE (oz)= 31,1 g (raha te hahazo ny prix par gramme ianao dia zaraina 31,1 ilay tarehimarika voalaza etsy ambony)
  • Ny prix omena eo ambony io dia ny prix de référence mondiale avy @ LBMA (London Bullion Market Association)
  • Ny prix omena eto dia miova in-2 isan’andro

Convertisseur de devise USD/MGA: mar, 23 Avr.

Tantaran’ireo mpandraharaha niavaka

SUCCESS STORIES

Ry mpandraharaha namana.
Adidy ny mamboly hazo!

IREO DINGANA ARA-PANJAKANA @ FANANGANANA ORINASA

Atao hoe ara-dalàna ny orinasa rehefa manana ireto taratasy telo samihafa ireto:
1. ny Carte d’Identification Fiscale (CIF), ahitana ny Numéro d’Identification Fiscale (NIF);
2. ny Carte statistique;
3. ny Extrait du Registre du Commerce (RCS).

Misy karazany roa lehibe nefa ny orinasa dia arakarak’izay ny toerana ikarakarana ny taratasy, dia ireto voalaza manaraka ireto:
1. entreprise individuelle
2. société

Ny entreprise individuelle dia eny anivon’ny Centre Fiscal, ny INSTAT ary ny Tribunal no atsangana. Ny société kosa dia eny anivon’ny EDBM no miandraikitra ny fananganana azy.

→ Ny Entreprise Individuelle, natao ho an’ny mpiasa tena (profession libérale, artisan …) dia mampifangaro ny fananana sy ny trosan’ny mpandraharaha amin’ny an’ny orinasany. Ny taratasy ara-panjakana (oh: NIF, STAT, RCS) dia misoratra amin’ny tenan’ny mpandraharaha. Afaka manisy anarana ara-barotra (nom commercial) fanampiny nefa izy hiantsoana ny orinasany.

→ Ny société (SARL, SARLU, SA, SAU) kosa dia manasaraka ny mpandraharaha amin’ny orinasany. Ny taratasy ara-panjakana dia misoratra amin’ny anaran’ny orinasa. Ny statut kosa no ahitana izay tompon’ny orin’asa. Samihafa ny fananana sy ny trosan’ny orinasa ary ny an’ny mpandraharaha.

16 0000 - 150 000 Ar ny NIF. 20 000 Ar ny STAT. 8000 aR NY RCS

andro monja ny fananganana société

entrepreneuriat.mg

Fandraharahana malagasy miroborobo no tanjontsika !

FINIAVANA + FINOANA + ASA + FIKIRIZANA = TAFITA

Fanombohana ny FINIAVANA raha te ho tafita nefa tsy ampy izany…
Mila FINOANA fa ianao dia mahavita zavatra ary manana ny maha izy anao…
Ny finoana tsy arahin’ ASA nefa dia zava-poana…
… ary mila FIKIRIZANA hatrany na misy tsy fahombiazana mandalo aza.

error: oops !