Sélectionner une page

Fitantanana ny orinasa
amin’ny ankapobeny

Fitaovana!

Raha hijery fitaovana hafa azo ampiasaina ianao dia tsindrio ny bokotra eo ambany.

Ny fitantanana ny orinasa dia manomboka amin’ny fametrahana VINA, IRAKA ary SOATOAVINA izay apetrakin’ny tompon’ny orinasa.

Ny tompon’ny orinasa dia afaka mitantana ny orinasany na manakarama mpitantana hafa.

Misy ny PAIKADY sy ny TANJONA apetrakin’ny mpitantana ka mametraka DRAFITRASA arahina TETIBOLA isan-taona izy entina anatanterahana ny ASA rehetra. Ireo dia mandalo fankatoavan’ny tompon’ny orinasa raha samy hafa ny tompony sy ny mpitantana.

Ny andraikitry ny mpitantana dia ny mitantana ireo LOHARANO 5 entina manatratra ny tanjona dia ireto avy:

  1. ny olona
  2. ny vola
  3. ny fitaovana
  4. ny haitao
  5. ny akora

Ny fanatanterahana ny asa dia ilàna fametrahana TABILAO FANDREFESANA ahafahana mandrefy ny asa vita raha oharina amin’ny tanjona napetraka. Izy io ihany koa dia ahafahana mitondra ny orinasa, mandray fanapahankevitra sy manitsy ny lalankaleha arakaraky ny zava-misy.

Ny fomba fiasa miorina amin’ny KALITAO dia fomba fiasa mahomby ahafahana manatsara hatrany ny zava-bita. Ary ny asa rehetra dia tokony vita ara-potoana araka izay ilàna azy, ka noho izany dia ilaina ihany koa ny mitantana ny FOTOANA.

Farany, ary ny tena zava-dehibe indrindra, ny orinasa rehetra dia mila mampidi-bola amin’ny alalan’ny varotra. Mila tantanana arak’izany ny VAROTRA. Mila tantanana ny fomba FAMOKARANA ary ihany koa ny VOKATRA.

VINA, IRAKA ary SOATOAVINA
PAIKADY sy TANJONA
DRAFITRASA sy TETIBOLA
TABILAO FANDREFESANA
KALITAO
error: oops !