Sélectionner une page

 

Fitantanana ny fotoana

Fitaovana!

Raha hijery fitaovana hafa azo ampiasaina ianao dia tsindrio ny bokotra eo ambany.

  • Ny fotoana dia loharano mety ritra, noho izany sarobidy ka tokony hotantanana.
  • Ny tsy fahaizan’ny mpandraharaha mitantana ny 24 ora ananany anatin’ny iray andro dia mitarika fikorontanana eo @ fiainany manokana sy eo @ fiainany ara-kasa.
  • Ny filaharan’ny asa atao sy ny fotoana laniana amin’ny fanantaterahana izany dia miankina @ tanjona napetraka: laharam-pahamehana ny asa iray rehefa mitarika fanatrarana tanjona ny fanatanterahana azy.
  • Ny fahaizan’ny mpandraharaha mizara asa dia ananany fotoana malalaka kokoa azony anatanterahana asa hafa. Misy fepetra arahina nefa ny fitsinjarana asa sy ny fitsinjarana fahefana @ mpiara-miasa. Tsy ny asa rehetra no omena ataon’olonkafa ary tsy ny mpiara-miasa rehetra no azo itsinjarana fahefana.
  • Ny fanaovana andraso andraso, ny fanaovana ampitso lava, ny tsy fanatanterahana ny  asa tokony atao eo noho eo dia mitarika fahaverezam-potoana.
  • Ny tsy fifehezantena dia mitarika tsy fanarahana ny lamina natao ka manakorontana ny fandaharam-potoana napetraka mialoha.
  • Ny tsy fifantohana @ asa atao dia mitarika anao mety hanao asa tsy laharam-pahamehana… izay midika fikorontanana sy fahaverezam-potoana.

 

NY FANDANJALANJANA NY 24 ORA

 

 

 

NY FANANANA TANJONA
NY FAMETRAHANA LAHARAM-PAHAMEHANA

 

 

 

 

 

 

 

NY FIZARANA ASA SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

 

 

 

NY TSY FANAOVANA ANDRASO ANDRASO
NY FIFEHEZANTENA
NY FIFANTOHANA

entrepreneuriat.mg

Fandraharahana malagasy miroborobo no tanjontsika !
error: oops !