Sélectionner une page

 

Fitantanana ny fitaovana

Fitaovana!

Raha hijery fitaovana hafa azo ampiasaina ianao dia tsindrio ny bokotra eo ambany.

  • Ny famokarana dia entina manolotra  vokatra hamaliana ny filàn’ny tsena. Noho izany ny asa famokarana dia tokony hialohavan’ny asa fitadiavana tsena.
  • Misy tanjona apetraka mialoha (voalohan’ny taona/volana/herinandro/andro) mikasika ny habetsaky ny vokatra  hovokarina. Mifandraika amin’ny tanjona ara-barotra izany.
  • Mifanaraka amin’ny tanjona hotratrarina ny laminasa sy ny loharano ary ny fitaovana rehetra ampiasaina, ao anatin’izany ny akora omanina sy vidiana (ny habetsany, ny fotoana ividianana azy, ny kalitaony).
  • Ara-teknika dia misy filaharany ny asa atao arakaraky ny haitao nosafidiana.
  • Misy kajy atao amin’ny famokarana mba tsy hahafatiantoka ny orinasa.
  • Misy fomba fiasa apetraka mba hahatratrarana ny tanjona sy ahafahana manaramaso ny fizotry ny asa.
NY FAHAIZA-MITANTANA
NY TAHIRY HO FANAVAOZANA NY FITAOVANA
error: oops !