Fitantanana ny tahirin’entana
Fitaovana!
Raha hijery fitaovana hafa azo ampiasaina ianao dia tsindrio ny bokotra eo ambany.
- Mazava ho azy fa tsy ny orinasa rehetra akory no manao tahirin’entana, ao ireo miasa amin’ny sehatry ny servisy (fampianarana, fizahan-tany, kajy mirindra sns).
- Ny entana mijanona ao anatin’ny orinasa dia vola matory.
- Ahena araka izay azo atao ny tahirin’entana mba ahafahan’ny vola miodina.
- Miankina amin’ny fahafahana sy ny fotoana lany amin’ny fividianana akora sy famokarana entana no anaovana ny tahirin’entana.
- Tokony hisy foana ny fitsinjovana ny tsy ampoizina ka anaovana tahirin’entana:
- loza voajanahary;
- tsy ampoizina amin’ny fahataran’ny fahatongavan’ny akora;
- tsy ampoizina amin’ny famokarana (fitaovana simba, mpiasa tsy tonga…);
- filan’ny mpanjifa tampoka…