Sélectionner une page

 

Fitantanana ny varotra

Fitaovana!

Raha hijery fitaovana hafa azo ampiasaina ianao dia tsindrio ny bokotra eo ambany.

NY ZAVA-DEHIBE TOKONY HO FANTATRA

  • Ny hivarotra no dingana farany tsy maintsy alehan’ny orinasa. Tsy misy dikany ny asa rehetra nialohavany rehefa tsy afaka nivarotra na tsy nahalafo entana izy. Hahazo tombony amin’ny varotra ataony no tanjon’ny orinasa rehetra.
  • Ny toe-tsaina itondrana ny varotra dia ny fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa. Tsy misy varotra mandeha rehefa tsy afa-po ny mpanjifa.
  • Ny mpanjifa dia manana filàna ka mila fantarina izany raha tsy fantatra, mila foronina izany raha tsy misy, mila tairina izany raha matory ary mila ampitomboina izany raha kely.
  • Tsy dia resaka kajy loatra fa resaka any an-tsain’ny mpanjifa ny famerana ny vidin’entana, vonona ny hividy lafo izy rehefa mifanaraka amin’ny filàny ny tolotra arosonao.
  • Sandaina lafo koa ny entana vaovao, miavaka, tsy misy mitovy aminy.
NY TOETSAINA MANOME FAHAFAHAMPO NY MPANJIFA

Miha-sarotiny ny mpanjifa

Mihabetsaka ny mpifaninana, mihabetsaka ny tolotra noho ny tinady. Ny mpanjifa ihany koa dia mitombo trai-kefa ka efa mahay mampitaha sy mitaky tolotra tsaratsara kokoa hatrany.

 

Mitarika mpanjifa hafa ireo afa-po

Ambara amin’ny ankapobeny fa ny mpanjifa iray afa-po dia mitantara amin’ny olona 3 hafa. Zava-dehibe arak’izany ny manao izay mahafa-po ny mpanjifa.

 

Manao dokam-barotra ratsy ireo tsy afa-po

Ambara fa ny mpanjifa iray tsy afa-po kosa dia manaparitaka resaka ratsy amin’ny olona 12 hafa. Entina ilazàna aminao fa mora malaza ratsy kokoa ianao ka mila mitandrina.

 

Tsy voatery hilaza aminao ny fahafaham-pony ny mpanjifa

Raha tsy anontanianao dia tsy voatery hilaza aminao ny fahafaham-pony na tsia ny mpanjifa. Anjaranao ny mamantatra izany amin’ny fomba rehetra. Tsy voatery zavatra sarotra sy andaniam-bola akory izany fa mety fanontaniana am-bava fotsiny ihany dia ampy (ohatra ho an’ny toeram-pisakafoanana: « nety ve ny sakafo tompoko? »), na koa taratasy fenoina tsy asiana anarana ho an’ny toerana fandriam-bahiny, na taratasy fenoina tsy asiana anarana any amin’ny faran’ny fiofanana, na fanadihadiana atao amin’ny aterineto sns.

 

Karakaraina manokana ny mpanjifa miverimberina

Ny mpanjifa iray miverimberina dia mitovy amin’ny mpanjifa miisa maro. Ny tena maha-zavadehibe azy ihany koa dia fidiram-bola tsy miovaova fa mitoetra maharitra. Amin’ny ankapobeny dia ambara fa ny 20%n’ny mpanjifa dia mitondra 80%n’ny fidiram-bola. Mila fantarina izy ireny arak’izany ary karakaraina manokana. Ireo mpanjifa mandalo fotsiny ihany moa dia atao izay aha-tamàna azy.

 

Zava-dehibe ny fandraisana: resaka miampy tsikitsiky

Isika rehetra dia samy miaiky fa ny fandraisana nahafinaritra anao tamin’ny voalohany dia efa mitarika anao tsikelikely hanjifa sy ho afa-po. Matetika izy io no adinon’ny mpivarotra na ny mpandray ny mpanjifa rehefa tsy ampy fahazotoana sy leon’ny asa miverimberina izy ireo.

 

 

NY FILAN'NY MPANJIFA

Ny asan’ny mpandraharaha sy ny mpitantana izany raha tsorina dia ny manomana tolotra entina mamaly ny filàn’ny mpanjifa. Ny tolotra rehetra dia tokony midika ho vaha-olana entina hamaly ny olan’ny mpanjifa. Tsy tokony hisy vokatra atolotra raha tsy misy olana na filàna mifanandrify aminy. Ohatra: tsy hividy rano ny mpanjifa raha tsy manana olana izy, dia ny hetaheta izany.

Io filàn’ny mpanjifa io arak’izany dia:

  • mila fantarina raha tsy fantatra;
  • mila foronina raha tsy misy;
  • mila tairina raha matory, ary;
  • mila ampitomboina raha kely.

Eny, tsy voatery mitondra tena araky ny lôjika tokoa isika olombelona fa azo atao tsara ny manova ankolaka na mivantana ny fihetsi-tsika mba hanjifa vokatra anankiray.

 

Ireo karazana filàna

Raha mikasika io filàna io ihany dia indro asehon’ny kisary eto ambany ny karazan’ireo filàna araka ny fisokajian’i Maslow azy. Araka ny voalazany dia manomboka amin’ny filàna ara-batana (toy ny sakafo) ny filàn’ny olombelona ka miova miakatra tsikelikely izany rehefa feno ny filàna eo ambany.

 

Misy ny filàna (1) fa misy ihany koa ny zavatra andrasan’ny mpanjifa (2) ary ny zavatra mandrisika azy hividy (3)

Fantaro nefa fa misy dikany hafa amin’ny mpanjifa io vokatra jifainy io ankoatry ny vaha-olana lehibe entiny.

Ohatra: mividy pizza izy satria noana, fa aleony mividy pizza X fa tsy pizza Y satria entiny misehoseho ihany koa ny baoritra misy ilay pizza X mba ahafantaran’ny olona fa manam-bola izy na maharaka lamaody. Misy kosa nefa ny mividy pizza Y satria mora entina sy mitàna hafanàna ilay baoritra misy azy na dia tsy misy soratra sy marika aza.

Mila fantarina arak’izany ny filàna, toa izany koa ny zavatra andrasan’ny mpanjifa.

Ary farany, mila fantarina ny antony tena mandrisika ny mpanjifa hividy ilay vokatra. Io no fepetra lehibe mahatonga azy manapa-kevitra hividy. (ohatra: ny vidin’ilay pizza ve, sa noho izy tsy misy kisoa, sa ilay toerana akaiky azy? sns)

 

NY MPISEHATRA EO @ TSENA

Matetika dia betsaka ny tolotra noho ny tinady, efa voalazantsika izay, izany hoe betsaka ny mpifaninana. Tokony atao izay mampiavaka anao amin’ny mpifaninana ka anomezana tolotra vaovao sy samy hafa hatrany.

Tsy ireo mpifaninana ihany no mila jerena, araky ny fomba fijerin’i Porter izay manambara fa misy hery 5 lehibe eo amin’ny tsena araka ny voalazan’ny kisary eto ambany:

Arak’izany dia ireto avy ireo hery 5 ireo:

  • ny mpifaninana eo amin’ny sehatra (raha mpitondra taxi ianao, io no andeha ataontsika ohatra, dia ireo mpanao taxi hafa izany);
  • ny entana mahasolo ilay tolotra (ireo mpitatitra hafa: taxibe, cyclo-pousse sns);
  • ny fahafahana mifanaraka amin’ny mpanjifa (afaka miady varotra ve ny mpandeha sa sarany tokana izay apetrakao no tsy maintsy arahiny…);
  • ny fahafahana mifanaraka amin’ny mpamatsy (afaka ifanarahana ve ny tompon’ny fiara ampiasaina…);
  • ireo vaovao tonga eo amin’ny sehatra (ireo mpitondra taxi vaovao, na ireo taxi-moto vaovao…).

 

 

NY DINGANA ARAHINA RAHA HIKETRIKA TSENA

Misy dingana arahina eo amin’ny fomba fiasa raha miketrika ny hirotsaka eo amin’ny tsena ianao araky ny voalaza eo amin’ny kisary eo ambany.

Izy io dia manaraka ny fomba fiasa MIKETRIKA – MIKOTRIKA – MIKATROKA ary arahin’ny fomba fiasa manatsara ny kalitao (manao tombana ary manitsy sy manatsara hatrany).

 

 

MIKETRIKA: maka vaovao sy manapa-kevitra

  • Mikaroka vaovao momba ny tsena: manamarina ny fisian’ireo hery 5 voalazan’i Porter (jereo « Ny mpisehatra eo @ Tsena » etsy ambony), mijery eny an-toerana mihitsy (observation), miresaka amin’ny mpisehatra (interview, focus group), manadihady (enquête), maka antontan’isa (statistiques), mampanandrana (dégustation, essai…);
  • Mizarazara ny tsena arakarak’ireo karazana mpanjifa: arakarak’ireo zavatra hitanao eny an-tsena no hanasokajianao ireo mpanjifa. Ohatra: ny maha-lahy na vavy, ny toerana ipetrahany, ny taonany, ny fari-piainany, ny anton’asany,  sns;
  • Misafidy amin’ireo karazana mpanjifa: ohatra: mihevitra ny hivarotra ranomboankazo ianao ka nisafidy ny hivarotra izany amin’ny mpianatra irery ihany eo amin’ny tananan’Antanambao (izany hoe ireo ny sokajy nampiasainao izany amin’io ohatra io dia ireto avy: taona, anton’asa, toerana ipetrahana);
  • Maka toerana: izany hoe maka toerana ao an-tsain’ny mpanjifa (sy eo amin’ilay sehatrasa) ianao arak’ilay safidy nataonao mba hampazava tsara ny fandraisan’ny mpanjifa ny vokatra hatolotrao. Ohatra amin’ny fakana toerana: « izahay dia mpivarotra ranomboankazo ho an’ny mpianatra eto Antanambao ».
    Zava-dehibe io satria ny dokambarotra sy ny serasera ataonao ohatra dia tokony manamafy izany toerana nalainao izany eo @ mpanjifa sy ilay sehatrasa. Ny serasera ataonao izany ohatra eto dia amin’ny fomba tsotra sady mora azon’ny mpianatra, ny vokatra dia mora entina (anaty tavoahangy plastika, tsy 1 litatra fa 1/4l), ny vidiny mba zakan’ny mpianatra (<1.000Ar)… ny toerana ivarotana azy tokony eny amin’ny be mpianatra na lalan’ny mpianatra andeha any an-tsekoly.
    Mila arindra daholo ny zava-drehetra atao mba hifanaraka amin’io toerana nalaina (ao an-tsain’ny mpanjifa) io.

 

MIKOTRIKA: manomana fitaovana entina hakana tsena (marketing mix, 4P)

  • Vokatra: manomana ilay vokatra mifanandrify amin’ilay filàn’ny mpanjifa ianao ka jerena amin’izany ny mampiavaka azy, ny fonony, ny habetsany, ny hatsarany;
  • Vidiny: atao mitovy amin’ny an’ny mpifaninana ve na ny an’ny entana mahasolo, ambany sa ambony (izay foana sa eny ampanombohana fotsiny ihany). Marihina fa raha entana fampiasa an-davanandro ohatra dia vidiny ambany kokoa no mety hahasarika.
  • Fitsinjaràna: manana fivarotana manokana (izay mila vola sy olona misimisy kokoa) sa alefa eny amin’ny mpamongady sy mpaninjara (izay mampihena kokoa ny tombony), mampiasa aterineto ve na Facebook ohatra (arakaraky ny mpanjifa kendrena).
  • Serasera: manao dokambarotra eny amin’ny radio sa télé sa gazety sa afisy sa hetsika eny amin’ny toeram-pivarotana (fampanandramana, fanaingoana toerana, fanamafisam-peo sy « hôtesses »…) sa resaka ahely fotsiny… Misy drafitra tokony atao ahitana ny daty hanombohana/hamaranana, ny isan’ny atao isanandro, ny ora handefasana, ny toerana handefasana sns

 

 

 

 

 

 

 

 

NY FAHAIZANA MIVAROTRA

Fomba fanao 7 manoloana ny mpividy entana

  1. ANDRAMANA: atolory azy ny vokatra mba andramany « afaka andramana ilay akanjo fa tsy maninona fa soloina raha tsy antonona ».
  2. ASEHO: atao hita maso ny vokatra mba ahafahan’ny mpanjifa mahita mivantana (aranty anaty « vitrine »).
  3. ATORO: azavao aminy ny zavatra rehetra vitan’ny vokatra sy ny maha-tsara azy (velomina ilay finday santionany dia aseho azy ny zava-bitany).
  4. AMPITAHAINA: « mora kely mitovy vidy amin’ny gateau 1 ».
  5. VAVOLOMBELONA: « ny orinasa X izao vao avy nividy teto ».
  6. RAHA MISY TSY METY: « misy « garantie » herintaona ny entana ».
  7. SALANISA: « ny ankabeazan’ny mpianatra rehetra eto dia ato aminay daholo ny mividy an’ireny ».

Mazava ho azy fa tsy mety ny mandainga. Misy koa ny doka fanatsarana ny zavatra amidy azo leferina araky ny lalàna (bonus bonus toy ny propagandy, fa tsy bonus malus natao hamitahana). Voararan’ny lalàna ny manao dokam-barotra mandainga.

 

Fantaro mialoha ny mpividy raha azo atao

  • Miomàna mialoha
  • Fantaro ny mpividy (raha misy fotoana ifanomezana dia fantaro mialoha ny momba azy, jerena anaty aterineto: google, Facebook, LinkedIn)
  • Mahatapakevitra ve izy?
  • Hividy ve izy sa manontany fotsiny?
  • Ohatrinona ny vola hividianany entana?
  • Afaka 5mn nanombohana ny resaka, mana-pakevitra na mbola hotohizana ny resaka na tsia? Raha hotohizana ny resaka, inona no tanjonao?

 

Fomba fandresehan-dahatra T.A.P

  • T: Toetra mampiavaka
  • A: Amboniny (« Avantage »)
  • P: Porofo

Ohatra: mivarotra voankazo aman-taonina

  • T: efa matoy sady mamy…miloko mavo tsara.
  • A: afaka anaovana jus, fruits séchés, confiture…ny tahan’ny siramamy dia X.
  • P: ny orinasa X sy Y dia izahay no mamatsy azy…

 

Mikasika ny vidin’entana

  • Matoa izy manontany vidin’entana dia mahaliana azy izany ny entanao (90% ny tranga)
  • Resaho fomba fijery « fampiasam-bola » izy noho ny hoe « fandaniambola » (misy tombony azo)
  • Raha miteny izy hoe lafo loatra:
    • Anontanio hoe inona no antony mahatonga azy hiteny an’izany
    • Ampitahao amin’ny vidin’ny entana hafa mahazatra
    • Lazao fa tsara matoa lafo, lazao fa tsy mitovy @ entana hafa

 

Rehefa isaraka amin’ny mpividy

  • Manaova fiteny sy fihetsika toy ny hoe mbola hihaona sy hifanaraka foana.
  • Raha tsy nividy izy dia manàna « fair play ».
  • Raha nividy izy dia ampio izy hieritreritra fa nety ny fanapahankeviny mba tsy hanenenany ary hieritreretany fa ho afa-po izy (amin’izay izy mba hanao publicité ho anao).
  • Isaory foana ny mpividy na nividy na tsy nividy ary ataovy veloma amim-panajana.

 

Raiso tsara ny mpanjifa ary amboary ny sainy

  • Omeo tsikitsiky izy.
  • Aza avela hisalasala izy fa miresaha ary asaivo miresaka izy, aza avela hisy fahanginana satria fahanginana=fisalasalana.
  • Ataovy izay hisian’ny « ambiance » fifanekena: ataovy izay hanekeny sy hitenenany hoe « ENY » betsaka na resaka tsy misy hifandraisany amin’ny zavatra tianao varotina aza.

 

Ny toetra sy fihetsika tsara ananan’ny mpivarotra

  • Ny fahaizana miteny fa indrindra koa mihaino
  • Ny fahaizana mandresy lahatra
  • Ny fahaizana mandangolango
  • Ny fahaizana maka ny toeran’ny mpividy: ny faminaniana ny zavatra tadiaviny
  • Ny fanomanana ny zavatra hotenenina sy handresena lahatra
  • Ny fahaizana misarika sy manaitra ny filàn’ny mpividy
  • Ny tsiky
  • Ny fahalalam-pomba
  • Ny famerimberenana ny zavatra tenenina (mba azahoana antoka ny zavatra tiany resahina)
  • Ny fangalàna « feed-back » na tamberin-kafatra
NY FITANANA AN-TSORATRA

Mba hisian’ny fahaiza-mitantana dia misy ny fitanana an-tsoratra tokony atao amin’ireto manaraka ireto:

  • ny fikajiana ny tahirinentana (daty nidirana, vidiny, isany, mpamatsy);
  • ny entana ho varotina sy ny voavarotra (daty, vidiny, isany, mpividy…);
  • ny mombamomba ny mpanjifa lehibe (araka izay azo atao: anarana, adiresy, finday…);
  • ny mombamomba ny mpamatsy entana (anarana, adiresy, finday…)
  • sns.

 

Araka ny fanao amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fitantanana ihany koa dia « soratana izay hatao, atao izay voasoratra ary soratana izay natao ». Raisina antsoratra avokoa arak’izany ny drafitra sy planina rehetra, ny zava-bita.

 

Araka ny voalazan’ny lalàna moa dia tahirizina mandritra ny 10 taona ny faktiora rehetra.

entrepreneuriat.mg

Fandraharahana malagasy miroborobo no tanjontsika !
error: oops !